Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Fisolokiana miaro halatra – Tsy vola fa taratasy iray sakaosy natao antoka

Mahita tetika vaovao hisolokiana foana ireo olon-dratsy entina amitahana ireo lasibatra. Mpivarotra môtô iray ao amin’ny fokontany Ankoalabe, any amin’ny distrikan’i Antalaha no nisy nisoloky tamin’ny alalan’ny sakaosy iray izay nolazaina fa feno vola ny marainan’ny alatsinainy teo tamin’ny 9ora tany ho any. Roalahy izy ireo no tonga tao amin’io toerana io hividy môtô izay mitentina any amin’ny 3.4 tapitrisa ariary.

Fa alohan’ny tena hividianana ilay kodiaran-droa dia niangavy ny mpivarotra mba hamela azy ireo hanao handrana. Tsy nety ilay mpivarotra tamin’ny voalohany fa ny iray amin’izy roa ihany manao handrana miaraka amin’ny mpiasa ao. Niezaka nandresy lahatra ilay mpivarotra kosa izy roalahy fa hoe apetraka eo ny sakaosy izay nolazaina fa misy ny vola mba atao antoka. Rehefa nieritreritra ela teo ilay mpivarotra dia nanaiky ny itondran’izy ireo ilay môtô ihany ny farany.

Nandeha ny minitra sy ny ora fa tsy niverina teo intsony ireo mpisoloky fa nanjavona niaraka tamin’ilay kodiaran-droa. Rehefa nosokafana ary ilay sakaosy dia akory ny hatairan’ilay mpivarotra fa taratasy ny tao ary vola 10 000 ariary tokana no tao anatiny. Efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre