Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

MADA IMMOBILIER – orinasa mivoy sy mandala ny fifanampian’ny samy Malagasy

Zanak’omby tsy ampianarin-domano tokoa raha ny mpiara-miasa mpiray donak’afo ao amin’ny orinasa Mada Immobilier mpisehatra ny tolotra sy tinady eo amin’ny tontolon’ny trano sy tany amidy na ahofa ary koa mitady mpitantana. Tanora vitsivitsy efa tsara sedra tamina orinasa mpitrandraka io lalam-barotra io no nifanome toky hitambatra anaty tranombarotra mba ho tantanan’ny samy malagasy kanefa manaja sy mahafeno ny fepetra takian’izany sehatr’asa izany. Tafatafa sy dinidinika nifanaovana tamin’i RANAIVOSON Herilalaina, mpitantana sy RASOAMANANA Harilalaina, tale ara-bola.

 

Samy miaiky sy manambara avy hatrany izy mirahalahy voatonona anarana etsy ambony fa niasa sy nikarama tamina orinasa vahiny nikirakira ny lalam-barotra mikasika ny varotra na fanofana trano sy tany aloha vao nanapa-kevitra handeha irery. Tany amin’ny volana Febroary 2003 no nijoro soa aman-tsara ny orinasan-drizareo nosalorana ny anarana “MADA IMMOBILIER” tetsy Antaninandro. Avy eo nifindra etsy Ambatomitsangana izay misy azy hatramin’izao. “Orinasa kely ifandrimbonan’ny tanora Malagasy roalahy miaraka amin’ny mpiara-miasa dimy ambinifolo mianadahy” hoy ny tale ara-bola.

 

Matetika mantsy ny vahiny foana no misahana an’io sehatr’asa io kanefa ny Malagasy koa mba mahavita zavatra dia andao ary mba hanangana koa !”. Antony tsotra nanosika anay hiroso amin’izany dingana izany hoy ny fanazavana iraisan’izy roalahy mpiandraikitra. Ary kinendry avy hatrany dieny teo am-piandohana ny aha-matihanina tanteraka ny tolotra omen’ny orinasanay, hoy ry zareo. Mba tsy ho “mpanera” fotsiny izany hoe mpanelanelana lava fa tena tompon’antoka amin’ny varotra atao manomboka ny fitrandrahana ny lalam-barotra ka mandra-paha-raikitra ny tolotra omena! Ary alavirina ny “soloky” maha ratsy laza foana ireo mpanao ira-kely mameno ity sehatr’asa ity hatramin’izao.

 

“Ny tolotray moa, hoy ry zareo manohy ny resaka, dia ny fampanofana trano na “location” ho an’ny olona mitady trano sy ny “gestion” ary “transactions immobilières”. “Izany hoe misy olona tonga mitady trano ahofa ohatra dia manome fahafaham-po izany filàna izany izahay”, hoy ny fanazavana momba ny “location”. Manodidina ny 60% ny asa sahanina izany.

 

Ny “gestion” kosa dia  maka ny toeran’ny tompon-trano ry zareo ka mandray ny hofan-trano sy miandraikitra ireo fanarenana ny simba raha misy izany ary miezaka manome fahafahampo ny mpanofa ao aminy, saingy afaka kosa manala ny mpanofa tsy manaja fifanarahana. Misy amin’izany ny “pourcentage” tsy mihoatra ny 6% anatin’izany fiaraha-misalahy (mitantana) miaraka amin’ny tompon’ny trano izany. Eo ho eo amin’ny 20% ny asa sahanina kosa io.

 

Ny antsoina hoe “vente” (na “transactions immobilières”) kosa dia ny fanampiana olona izay mitady tany na trano ho vidiana ka mpanelanelana izany no anjara andraikitry ny MADA IMMOBILIER. Misy ny tolotra eto Antananarivo kanefa koa miitatra hatrany Antsirabe na Toamasina eny hatrany amin’ny faritra lavitra toy ny any Toliara izany tolotra mameno ny 20% ny asan’ny orinasa izany.

Ireo tolotra ireo moa no atao bango tokana amin’ny hoe “gestion de biens” ary misandrahaka amina trano (“appartement” na “villa”) na birao etsetra etsetra.

 

Tsiahivina hatrany hoy ny mpiandraikitra fa eo “amin’ny andraikitra raisinay raha manana olana ny mpanofa na io hofan’ny trano na fahasimban-javatra dia izahay no “mandataire” misolo tena ny tompon’ny trano ipetrahany” indrindra amin’ny “gestion locative” satria na any ivelany na voatana amin’ny asa aman-draharany ny tompon’ny trano.

 

Ao anatin’izany andraikitra isan-tokony izany no ametrahan’ny orinasa hatrany ny “dia tànany” ho an’ny tompo-trano isan-tsokajiny. “tsy maintsy mahazo fahafaham-po ny mpanjifa ao anatin’ny fifanafajana feno sy fifandraisana matotra”, hoy ry zareo.

 

Kanefa izany tsy manakana ny disadisa izay manodidina ny 5% ny tolo-barotra raha be indrindra ary ezahana foana ny hisian’ny marimaritra iraisana na ny “traitement à l’amiable” raha sanatria misy tsy fanajana fifanarahana. Na izany na tsy izany “Matoa olona tsy mandray trano ato aminay dia olona tsy manana fanapahan-kevitra mihitsy ” hoy RASOAMANANA Harilalaina satria na ny “honoraires d’agence” aza dia mbola “azo ifampiresahana tsara”. Ny tanjona dia ny mba samy ahazoan’ny roa tonta tombotsoa.

 

Vina manaraka ho an’ny orinasa efa tsy ho ela kosa ny fidirana amin’ny fivarotana mivantana tany amin’ny mpanjifa “morcellement de terrain” izay hitsinjovana manokana ny Malagasy. Lalana tsy azo ihodivirana anefa ny fidangan’ny vidin-tany raha ny eto andrenivohitra fotsiny no resahina. Atsy ho atsy mantsy hoy ny fandinihan-drizareo dia ireo mpanam-bola no hany sisa hahazaka izany ka ny mamonjy ivelan’ny tanan-dehibe no vahaolana. Kanefa dia tolotra hanaja ny ara-dàlana hatrany izany.

 

Ao anatin’izany fanitarana ny ambaindain’ny orinasa izany dia misy” partenaires” izay miara miasa akaiky aminay koa, ny tolotra amin’izany dia “déménagement”, “sécurité”,” nettoyage”, “personnel de maison” sy “decoration d’intérieur”, hoy ny famintin-dRanaivoson Herilalaina.

Dossier réalisé par Solo RABEFIRINGA

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre