Médecins du Monde – 41 ireo ankizy hahazo fandidiana maimaim-poana
Tonga eto Madagasikara indray ny « Médecins du Monde », izay vazaha manam-pahaizana manokana avy any an-dafy amin’ny fandidiana ireo ankizy sima na may. Haharitra herinandro ny fandidiana sy ny fizahana ireo marary izay efa nanomboka ny 2 aogositra ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 9 aogositra ho avy izao ao amin’ny hopitaly Hjra. Miisa 41 ireo ankizy may na sima hahazo fitsaboana ary fanafody maimaim-poana aorian’ny fandidiana.
Efa nanomboka ny taona 2005 ny « Médecins du Monde » no tonga teto Madagasikara ary efa maninaka ny faha-29 iraka ataony an-tanindrazana ity tanterahana amin’ity herinandro ity. Indroa isan-taona isaky ny enim-bolana izy ireo no tonga eto an-toerana ary tsy midina any amin’ny faritany raha tsy indray mandeha isan-taona. Noho izany dia betsaka ireo olona avy any amin’ny faritany no miakatra aty an-drenivohitra mitondra ireo zanany mba hahazo fitsaboana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







