Paris – Vehivavy malagasy voarohirohy nahafaty ny zaodahiny
Vehivavy malagasy iray monina any Paris no voarohirohy ho namono olona any an-toerana amin’izao fotoana izao. Ity ramatoa ity moa manambady vazaha ary tratra niaraka tamin’ny zandrin’ny vadiny.
Disadisa tamin’izy vady no niatombohan’ny tantara. Araka ny loharanom-baovao dia nifamaly izy mivady ka ho valifaty amin’io vadiny io dia lasa ity ramatoa ity niaraka tamin’ny zandrim-badiny izay efa manambady. Nandeha anefa ny andro sy ny volana dia tratra an-dramatoa vadin’io lehilahy niarahan’io izy roa. Mbola nifamaly noho izany izy mivady ary niafara tamin’ny fahafatesan’ny zaodahiny izany.
Taorian’ny fandevenana, ny alatsinainy teo, anefa dia nivadika ny tantara. Notongavan’ny fianakavian’ny maty tao amin’ny trano fonenany ilay vehivavy malagasy ary nolazaina fa mpamono olona ary mitaky ny hamonoana io ramatoa io ihany koa fa indrindra ny zanak’ilay olona maty. Araka ny filazan’izy ireto dia io ramatoa io no rangory fototry ny afo nahafaty ny rainy.
Omaly maraina dia nanatona ny polisy tao Paris avy hatrany ilay ramatoa taorian’io fiampangana azy io nanazava ny fizotry ny tantara. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ary andrasana ny « autopsie » natao tamin’ilay razana ahalalana ny marina amin’ity raharaha ity.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







