Vous êtes ici :

Dimanche 08 Février 2026

ombre

Firenena tsy manana hambom-po !

Mpanavakavaka ary manambany ny Malagasy sy ny Kaomorianina ny ao amin’ny Nosy La Réunion. Nasehon’izy ireo miharihary izany toetrany izany amin’ny fandraisany ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina. Ny Kaomorianina moa dia nalaim-baraka mihitsy tamin’ny fampirantirantiana ny sainam-pirenena frantsay nefa tokony ho ny sainan’ny lalaon’ny nosy no nentin’ny Mahorey. Ny Malagasy indray dia nisy no tsy nomena “visas”, nisy ny tsy nomena “badges” ary nisy ihany koa ireo tsy navela nilalao. Fampifalifalana sy fanaovana tsinontsinona no natao ny Malagasy sy ny Kaomorianina. Ireto farany anefa dia maha-te hidera ny fanapahan-kevitra noraisiny satria nody avy hatrany izy ireo fa tsy nandray anjara. Ireo mpisolelaka sy matin’ny patsa indray mahandro, dia samy nanome tsiny ny kaomorianina avokoa. Mety anefa ny nataon’izy ireo satria tsy misy na iza na iza afaka manambany firenena iray sy ny vahoaka ao aminy izany. Ny lalao ara-panatanjahantena rahateo hisy foana fa ny fiandrianam-pirenena tsy hanan-kavana sy tsy andeferana. Ny Malagasy kosa dia nanohy ny lalao ihany na dia iharan’ny tsindry hazo lena aza. Isika rahateo efa malaza ho mpisolelaka sy matin-kanin-kely toa amalona ka dia efa hitsahin’ny olona an-tampon-doha aza dia manaiky lembenana hatrany.

Miseho ho milay ny renioney satria mihevi-tena ho ambony noho ny Malagasy sy ny Kaomorianina. Velomin’ny Frantasy mantsy izy ireo ka manan-karena ary mihevi-tena ho ambony fa tsy mitovy amin’ireto nosy roa farahidiny maneran-tany izay tsy hafa anefa fa iray fihaviana aminy ihany. Nanaporofo ity zava-mitranga mikasika ny lalaon’ny nosy ity fa tsy asian’ny vahiny vidiny ny Malagasy satria mahantra, miady an-trano, ary tsy mahay afa-tsy ny miady seza sy mifanakorontana ny mpanao politika ao aminy. Tsy manam-potoana hiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny hasin’ny vahoaka ao aminy intsony ny mpitondra fanjakana fa variana amin’ny kajikajy politika hitazomana ny toerany.

Raha ny tokony ho izy mantsy dia ny fitondram-panjakana mihitsy no tokony hanome baiko ny delegasiona efa lasa any La Réunion hiverina rehefa tsy manan-kambo ireo mpitarika nalefa any. Tsy nisy sahy nandray izany fanapahan-kevitra izany anefa noho ny tahotra sao hiteraka romoromo amin’ny firenena frantsay ny raharaha. Mbola miantehitra mafy amin’ny fanohanan’ireo mpampanjana-bola vahiny izay lazaina fa firenena mpiara-miombon’antoka rahateo ny fitondram-panjakana malagasy ka mitandrina mafy mba tsy hisian’ny disadisa ara-diplaomatika.

Firenena pitiny kely toa an’i La Réunion izay tsy manana na inona inona fa nivarotra ny tanidrazany tamin’ny frantsay ve no avela hanambany antsika toy ny zava-misy amin’ity lalaon’ny nosy ity? Mila manan-kambo ary mametraka fa tsy azo ambaniana ny malagasy ary ny mpitondra fanjakana no tompon’andraikitra amin’ny fanomezana maodely amin’izany. Manana ny maha-izy azy mantsy ny vahoaka malagasy ary tsy mitambitamby amin’ny hafa satria sady manan-tsaina no manam-pahandrena no mahay miray hina ihany koa.

Indrisy anefa fa tsy mba sahy mandray ny andraikiny hiaro ny firenena ny mpitondra ary ny vahoaka mitaky ny zony hatrany no mba sahin’izy ireo ampiasana hery famoretana. Hiharihary izany amin’izao fitakiana ny marina mikasika ny voka-pifidianana farany teo izao. Ny sehatra iraisam-pirenena dia manizingizina fa nizotra tsara tsy misy kianina ny fifidianana ary tokony ekena ny vokatra rehetra mivoaka eo. Ny vahoaka anefa nahita fa tena nisy ny hala-bato sy ny tsy fahatomombanana ka mitaky ny marina rehetra. Hatramin’izao aloha dia ny tenin’ny sehatra iraisam-pirenena no hita fa henoin’ny fanjakana ary azo heverina ny hisian’ny hery famoretana mahery vaika handrava izay rehetra mikasa ny hanao fihetsiketsehana tsy fankasitrahana ny voka-pifidianana eo.

Raha manana hambom-po ihany ny mpitondra ka tena te hametraka ny firenena amin’ny toerana sahaza azy dia ireo vahiny manjakazaka sy mpanambany antsika aloha no tokony ailik’izy ireo voalohany fa tsy ny vahoaka manao fitakiana no atao sambo-dokotra lava izao.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre