Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Tsy fandriampahalemana – Miverina indray ny vely « bois rond »

Raha nangingina ny fikapohana amin’ny « bois rond » tato ato dia niverina indray izany ankehitriny ary efa mampihorohoro eraky ny tananan’Antananarivo ireo olon-dratsy fa tsy mijanona amin’ireo toerana nitrangana izany intsony. Ary tsy eto an-drenivohitra ihany fa efa mipaka hatrany Toamasina ny fampihorohoroana amin’ny « bois rond ». Raha ny eto an-drenivohitra dia olona miisa roa no lasibatra ireo olon-dratsy ny harivan’ny talata tamin’ny toerana roa samihafa. Tovovavy manodidina ny 25 taona ny iray izay novelesin-dry zalahy teny Andranomena raha namonjy fodiana avy niasa. Ny iray kosa lehilahy 32 taona teny Ambatobe ary samy voa teo amin’ny loha sy tarehy izy roa ireo. Efa saika namoy ny ainy ireo lasibatra ireo raha tsy nentina haingana teny amin’ny hopitaly. Araka ny filazan’ny mpitsabo mantsy dia efa tena natahorana ny ain’izy ireo tamin’ny fahatongavan’ny roa tonta teny an-toerana. Tany Toamasina indray dia lehilahy nandeha kodiaran-droa no lasibatr’ireo tsy mataho-tody teny amin’ny fokontany Ankirihiry ny harivan’ny alahady teo. Vokatry ny vely mafy be nahazo azy dia nianjera avy eny ambonin’ny môtô mihitsy ilay lehilahy ary nentin’ireo jiolahy nandositra kosa ny môtô. Tsy misy ahiana kosa ny ain’io lehilahy io.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre