Mahanoro – Taolam-paty telo gony hitan’ny fokonolona
Tamin’ny fiandohan’ny herinandro no nisehoan’izany tao Tsaratanàna, fokontany Maroahitra ao anatin’ny kaominina Mahanoro tamin’ny 5 ora hariva. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra gony miisa telo teo amoron-dalana ary nijery izay tao anatiny. Akory ny hatairan’ity farany raha nahita ireo taolana be dia be mifono tao anatin’ireo gony ireo. Nampandre ny tompon’andraikitra voakasika tamin’izany ity farany ary tamin’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana dia fantatra fa taolan-dava miisa 153 miampy taolana fohy 244 isa no tao anatin’ireo gony. Fantatra ihany koa nandritra ny fizahana fa tsy taolana avy eo amin’ny manodidina an’i Tsaratanàna ireo taolana ireo satria tsy nisy fitairanana vaky fasana tato ato tao amin’io toerana io. Misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao mahakasika ity raharaha ity ary mandra-pahavita izany dia notazomin’ny polisim-pirenena ao Mahanoro ireo taolam-paty ireo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







