Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fitrandrahana tsy ara-dalàna – Natsahatra amin’ny asa ireo teratany sinoa

Potika avokoa ny tanimbary. Velo-taraina ireo mpamboly ao amin’ny kaominina Manapatrana, distrikan’Ikongo amin’ny afitsok’ireo teratany sinoa mpitandraka volamena satria misy fiantraikany goavana amin’ny asa fambolena izany. Asa fambolena izay tena asa iveloman’ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana. Taorian’ny fitarainana voarain’ny lehiben’ny distrika dia nidina teny ifotony ity farany sy ny mpitandro filaminana nijery akaiky ny zava-misy. Tamin’ny fanadihadiana natao dia fantatra fa tsy ara-dalàna ny fitrandrahana ataon’ireo teratany sinoa nandritra ny fotoana maro nanaovan’izy ireo ny asa fitrandrahana volamena tao amin’io toerana io. Noho izay antony izany dia nandray ny andraikiny ny lehiben’ny distrika amin’ny fampitsaharana ny asa fitrandrahana. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia nasiana zandary miambina mihitsy io toerana io mba ialana amin’ny mety ho fihoaram-pefy. Fa hatramin’ny oviana anefa? Tsy vao sambany mantsy io fitrandrahana tsy ara-dalàna ataon’ny vahiny io. Fa any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny anefa dia vita vita ho azy, na dia misy aza ny fitarainana sy  ny tsy rariny ataon’ny mpitrandraka, ary miverina amin’ny laoniny ihany izany aty aoriana.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre