Beloha – Vehivavy bevohoka maty nofirain’ny dahalo famaky
Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny kaominina Marolinta, distrikan’i Beloha ny faran’ny herinandro. Andian-dahalo miisa folo nirongo basim-borona sy zava maranitra no tonga nanafika mpamboly. Novakian’ireo olon-dratsy ny varavarana ary niditra avy hatrany izy ireo ka olona mpivady no tratrany tao. Tsy nananan’izy ireo antra mihitsy izy mivady fa tifitra variraka no nataony vao tafiditra ny trano. Voa teo amin’ny sandriny ilay rangahy dia mbola nampian’ireo dahalo hitsaka sady nandrahona azy hamoaka ny lelavola tao an-trano. Rehefa nilaza fa tsy manana ity farany dia avy hatrany dia nokapain’ireto tsy mataho-tody famaky ny lohan’ilay ramatoa bevohoka. Hozatra kely sisa nitazona ny lohan’ilay vehivavy ka maty teo no ho eo. Mbola noteren’ireto dahalo hamoaka ny vola be ihany ilay raim-pianakaviana ka raha nilaza fa tsy manana an’izany dia notifirin’izy ireo tamin’ny fe-ny ary lasa nandositra avy eo.
Lasa ny omby 40
Tsy nandositra tanam-polo anefa ireo tsy mataho-tody. Vao tsy nahazo na inona na inona tao amin’ny trano nidirany izy ireo dia lasa nanafika valan’omby akaiky teo. Nanapoaka basy hatrany mba ampitahorana ireo fokonolona tsy hanohitra azy ireo mandritra ny fanafihana. Vokany. Omby miisa 40 no lasan’ireo dahalo. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny vatan-dehilahy teo an-tanàna. Adiny iray taty aoriana dia nifanehitra ny roa tonta ka raikitra ny fifampitifirana. Naharitra antsasakadiny tany ho any izany fifanjevoana izany ka dahalo iray namoy ny ainy. Nitsoaka nandositra kosa ireo namany vao lavo ny iray tamin’izy ireo ary namela ireo omby. Tafaverina noho izany ny 39 tamin’ireo omby raha toa ka maty nandritra ny fifandonana ny iray.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







