Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Commune Ambotandroa – Nifidy Hvm ny maty !

Nitsangana tamin’ny maty, raha izay no azo ilazana ity tranga iray sady mampalahelo no mamohehatra niseho tao amin’ny distrikan’i Toamasina II nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna natao farany teo.

Tsy nisy tsy nahalala ity olona iray ity tao amin’ny fokontanin’Ambavarano, kaominina Ambotandroa satria dia olona iray neken’ny fiaraha-monina. Nodimandry izy taona vitsy lasa izay kanefa dia nahazo kara-pifidianana indray tamin’ny fifidianana natao ny zoma lasa teo. Ary dia nisy nampiasa tokoa ilay karatra, voamarina io tamin’ny alalan’ny sonia natao izay nifanandrify tamin’ny anaran’ny maty tao anaty lisi-pifidianana. Araky ny filazan’ny kandidà vehivavy iray tao amin’io biraom-pifidianana io rehefa nojerena ireo nifidy kandidà hafa ankoatry ny natolotry ny antoko eo amin’ny fitondrana dia mifanaraka tsara amin’ireo mpifidy fantatr’ireo kandidà ireo ny isam-bato azo. Izay izany no ilazan’izy ireo fa nifidy ho an’ny Hvm ilay olona maty kanefa velona indray satria nanana kara-pifidianana no nandatsa-bato rahateo.

Fa etsy andanin’izany dia niray feo ireo kandidà rehetra miisa 7- ankoatry ny natolotry ny Hvm izany -, ka nitaky ny fanafoanana ny fifidianana ao amin’io kaominina Ambotandroa io satria dia voalazan’izy ireo fa feno hosoka izy ity. Ny mponina rahateo, araka ny fantatra, dia mivonona amin’ny tsy fanekena ny voka-pifidianana ho avy eo, indrindra raha toa ka lany ny kandidam-panjakana.

Raharaha tokoa araka izany ny miandry ny fitondrana sy ny Ceni-T satria dia miitatra ohatry ny sima misioka ny fanoherana ataon’ny mponina sy ireo kandidà hafa ary saika manerana ny nosy dia ahitana izany avokoa. Ny Kmf-Knoe izay nanara-maso ny fifidianana ihany koa dia mitovy hevitra amin’ireo olom-pirenena an-tapitrisany ka manambara fa tena kitoatoa tokoa ny fikarakarana izany, no sady feno hosoka tanteraka sy hala-bato mahatsiravina.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre