Arivonimamo – Dimy lahy nanafika tokantrano telo
Tokantrano miisa telo indray no nasesin’ireo jiolahy notafihana tao amin’ny distrikan’Anrivonimamo. Dimy lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tonga tao Manjato, kaominina Ambohitrambo ny alin’ny alatsinainy 3 aogositra tamin’ny 8ora sy sasany nandroba ny mponina tao. Novakian’ireo jiolahy ny varavarana ary nanapoaka basy izy ireo raha vao tafiditra tao amin’ireo trano ho robainy sady nandrahona ireo tompon-trano hamoaka vola. Lelavola mitentina 800 000 ariary lasa tamin’ireo trano miisa telo ireo niaraka tamin’ny firavaka volamena.
Nanohitra kosa ny rangahy iray tompon-trano tamin’ireo telo voatafika ka naratra mafy tamin’izany ny jiolahy iray. Tsy nampoizin’ireo ny zavatra nitranga. Vao variana kely mantsy ireo olon-dratsy dia naka angady ilay lehilahy ary avy hatrany dia novelesiny tamin’ ilay jiolahy. Nandositra ohatry ny tsy teo izy ireo saingy tratran’ny zandarimaria tao Ambohibary io jiolahy naratra io tamin’ny fanarahan-dia nataon’izy ireo. Noho ny ratra mafy nahazo mantsy dia tsy afaka nitsoaka tahaka ireo namany ity farany. Mitohy ny fikarohana ireo namany.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







