Asan-dahalo – Omby 10 very, dahalo roa maty
Mirongatra ny fanafihana ataon’ ny dahalo any amin’ny distrikan’i Belo ambonin’ny Tsiribihina. Andian-dahalo miisa 13 nirongo basim-borona enina no nanafika ny tanànan’i Androngony, kaominina Masoarivo ny alin’ny 3 aogositra lasa teo. Tsy nisy nifandrenesana ny firefodrefotra ny basy sy ny kiririoka tamin’ny fahatongavan’izy ireo tao an-toerana. Tsy nisy sahy nifanandrina tamin’izy ireto noho izany ny fokonolona ka lasa ny omby miisa 10 tao am-balan’ny mpamboly iray. Nampandre ny zandarimaria ireo mponina raha vantany vao niala ny tanàna ireo dahalo ka nisy ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny vatan-dehilahy matanjaka ny dian’omby nianavaratra ny tanàna. Rehefa nandeha kelikely dia nifanehitra ireo nanao ny fanarahan-dia sy ny dahalo ka raikitra ny fifampitifirana. Naharitra antsasakadiny mahery ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Dahalo no maty lavon’ny balan’ireo mpitandro filaminana. Tafaverina ihany koa ny omby iray. Mitohy ny fanarahan-dia.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







