Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Tsy azo leferina intsony!

Lasa sorona ny vahoka amin’ny zava-mitrangra rehetra manerana ny firenena. Mananontanona ny krizy lavareny izay ahiana hamotika tanteraka an’i Madagasikara. Azo ambara avy hatrany fa vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fampanantenana poak’aty no nahatonga izany. Rahe mitodika any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy dia fahasorenana no mitsena satria tapaka ny jiro. Tsy misy na inona na inona azo atao fa atsahatra tsy fidiny avokoa ny asa aman-draharaha rehetra ilana herin’aratra. Ny filohan’ny Repoblika anefa nampanantena fa volana vitsy monja aorian’ny nandraisany ny fahefana dia hivaha tanteraka ity delestazy ity. Nivalona ihany ny taona 2014 fa tsy hita izay fitovana teo. Izao aza vao maika niha-sarotra ny toe-draharaha ary nihamafy indray ny fahatapahan-jiro. Tsy nahavaha olana ny Fanjakana. Mbola ahiana hihamafy ny loza manjo ny vahoaka malagasy satria io indray fa manao fitokonana ny mpiasan’ny orinasa JIRAMA. Ny vahoaka tsy naninon-tsy naninona hatrany no lasibatra amin’ny fiantraikan’izany rehetra izany. Samy diso ary samy tsy misy ilana aza na ny mpitondra na ireo mpiasan’ny JIRAMA. Ny mpitondra Fanjakana tsy mahita politika mazava hitantanana sy hanarenana ilay orinasa dia mitady vahaolana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina izay tsy maintsy hampakatra ny vidin-jiro. Ny mpiasan’ny JIRAMA indray dia efa zatra ny ampihimamba sy ny kolikoly mihoam-pampana ka mandà mafy ny hiara-hiasa amin’ny orinasa tsy miankina izay inoana fa tsy maintsy ho hentitra ka tsy misy hirika angalaran’ireo teknisianina intsony. Dia mihenjan-droa ny tady ka ny vahoaka no mihinan’ny …. “tadiny” ara-bakiteny.

Mbola olana iray goavana ihany koa no afitsoky ny sendikan’ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo izay nanambara mazava tsy an-kolaka fa hanao sabotazy ny fanadinana bakalorea. Tena tsy manisy vidiny ny ezaka nataon’ireo mpianatra an’arivony maro an-taonany niampy ny mondron-kery lanin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mihitsy ireo mpampiatra mpikaroka miseho azy ho tapi-pahaizana eto amintsika ireto. Mety masiaka sy mahitsy ny fomba ilazana azy fa tsy misy fo maha-olona satria efa jamban’ny fitiavan-tena sy fitiavan-kely ireo mpampianatry ny oniversite. Iza tokoa moa no tsy mahalala sy nifafa ny kihony tamin’ireo mpianatra teny amin’ny oniversite noho ny nafitsok’ireo mpampianatra. Tao ireo nandoa vola be vao afaka nanao ny fanohanana ny vokam-pikarohana, misy ihany koa ireo izay tsy maintsy misipasipa amin’ny mpampianatra anti-dahy efa lany daty dia zara raha mahazo naoty na tsy mahavita ny fianarany mihitsy. Zava-misy izany ary malaza be eny Ankatso fa tsy noforonina, ary maro ny afaka mijoro vavolombelona raha ilaina.

Tsy mionona amin’ny fampijaliana ireo efa mianatra eny Ankatso ireo mpampianatra fa mbola hiroso hampitondra faisana ireo mpanala bakalorea ihany koa. Ao anatin’ny fotoana fanaovana famerenana farany izany hoe mila fitoniana sy fifantohana amin’ireo mpanala fanadinana no ilazana fa tsy hisy ny bakalorea. Fampihorohoroana ara-moraly tsy misy toy izany. Mbola ny fitondram-panjakana ihany no fototr’izany olana rehatra izany voalohany satria tsy nanatanteraka ny nampanantenaina. Dia ny ankizy tsy manan-tsiny sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra izay efa mifofo-volo amin’ny fitadiavam-bola hamatsiana ny fianarana hatrany no lasibatra.

Santionany roa ireo fa tena mizaka ny tsy eran’ny ainy ny vahoaka malagasy noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fampisehoan-kery eo amin’ny fanjakana sy ireo sendika izay mbola volam-bahoaka ihany no hanakaramana azy. Fa mihevitra azy ho iza mihitsy ireo rehetra manana andraikitra sy karamaina amin’ny volam-bahoaka no manao sorona hatrany ny tsy manan-tsiny eto amin’ity firenena ity. Efa manomboka tsy azo leferina intsony ny zava-misy ary ahiana hipoaka ny hatezeram-bahoaka raha izao no mitohy. Mila mikaroka vahaolana haingana ny mpitondra fanjakana satria efa miroso tsikelikely amin’ny “raha maty aho matesa rahavana” ny fomba fisainan’ireo sendika izay mitaky ny zony. Ny fanjakana no tsy manome ny zon’izy ireo ka ny vahoaka no potehina sy ampijaliana. Adinon’ny rehetra fa tsy mbola nisy na iray aza niseho azy ho tompon’ny hery sy ny fahefana ka nahajoro manoloana ny hetsi-bahoaka teto Madagasikara. Tsy hay tohaina ny Malagasy rehefa tena tofoka tokoa koa aleo misoroka toy izay mitsabo.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre