CNaPS – FIER MADA – Mitsinjo ny fiainan’ny mpiasa sy ny fianakaviany
Nanomboka ny 05 aogositra ka hatramin’ny 09 aogositra izao ny FIER MADA etsy Mahamasina, mandray anjara feno amin’izany ny CNaPS na ny Tahirim-pirenena momba ny Fiahiana ara-tsosialy. Araka ny lalàna velona dia zo fototra ho an’ny tsirairay ny fiarovana ara-tsosialy ary ny CNaPS dia mitsinjo ny fiainan’ny mpiasa sy ny fianakaviany manomboka any am-bohokaka mandraka antitra. Manome vola eo amin’ny fahazazana, ny fianarana, ny asa atrehina, ny tokantrano ary ny fahanterana ny CNaPS. Raha tsiahivina dia misy karazany 03 ny fanampiana omen’ny CNaPS ho an’ireo rehetra mpikambana ao aminy sy ny fianakaviany : Fanampiana ho an’ny Fianakaviana, manomboka ny zaza any am-bohoka ka mandritra ny taom-pianarany eo amin’ny faha-21 taona, ny Fanampiana ho an’ireo tratran’ny loza sy aretina azo avy amin’ ny asa ary ny fisotron-dronono raha efa zokiolona rahatrizay.
Raha misy noho izany ny olana mikasika ny fanampiana raisin’ny mpandray zo, na manana olana eny anivon’ny toeram-piasana na koa te hijery hoe voaloa ve ny latsakemboka na tsia dia am-perin’asa mandritra ny FIER MADA ireo mpiasan’ny CNaPS afaka hifanakalo hevitra sy hakana vahaolana mahakasika ny Fiahiana ara-tsosialy.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







