Sanfily Toliara – Matory an-dalana ny fianakaviana nesorina amboletra tamin’ny tranony
Mahery ny vola ! Kivy tanteraka Rtoa Razananivo Jeannette sy ny fianakaviany monina ao Ankatsaka Sanfily Toliara izay nesorina amboletra tamin’ny tranony sy ny tany nonenany efa ho 50 taona, ny maraina ben’ny alatsinainy teo. “Nahoana ny olona tsy manana titra na bokin-tany amin’ny fananana ny tany no manana fahamarinana eny amin’ny fitsarana handroaka olona efa nipetraka nandritra ny 50 taona tamin’ny taniny. Noho ity raharaha ity mamofona kolikoly, satria tsy mahazo rariny foana izahay eny amin’ny fitsarana, dia nametraka fitoriana teny amin’ny Bianco”, hoy Rtoa Jeannette, latsa-dranomaso, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. Lasa matory tsy fidiny amoron-dalana ireto fianakaviana miaraka amin’ny entana sisa tsy potika tamin’ireo natsipitsipy teny an-tokontany nandritra ny fandroahan’ny vadintany niaraka tamin’ny mpitandro filaminana nirongo basy nanatanteraka ny didy.
Tany lova
Ady tany nanomboka ny taona 2014 no fototry ny olana teo amina fianakaviana roa, satria namidin’ny dadatoany 15 tapitrisa tamina karana iray ny tany lovan-dRtoa Jeannette tamin’ny rainy efa maty. Niakatra fitsarana ny raharaha ny 28 mey teo. Nandresy ny dadatoany izay tsy manana taratasy mazava momba ny tany, ny 8 jona teo. Tonga nanery ny tompon-trano hiala ao anatin’ny 24 ora ny vadin-tany, ny harivan’ny 30 jolay, nefa ny alatsinainy teo vao tanteraka izany, na dia nanao fanohanana (opposition) teny amin’ny fitsarana ny tompon’ny tany, ny 15 jona lasa teo.
Eric Toliara
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







