Vono olona – Olona roa maty voatsatoka zava-maranitra
Disadisam- piaraha-monina no nahatonga ny loza. Lehilahy roa monina amin’ny toerana roa samihafa no maty namoy ny ainy noho ny tsatoka zava-maranitra nihatra tamin’izy ireo. Ny takariva ny talata teo no nisehoan’izany samy tamin’ny 4 ora mahery tany ho any.
Ny iray tamin’izany dia niseho tao amin’ny fokontany Anjobira, kaominina Ankilimalinika, ao anatin’ny distrikan’i Toliara II. Lehilahy 40 taona no maty rehefa tonga teny amin’ny hopitaly taorian’ny kapoka tora-by nahazo azy teo amin’ny lohany. Fifamaliana tamina lehilahy iray mpiaraha-monina aminy no nahatonga ny loza. Tsy fantatra ny antony ny fifamaliana fa ity farany izay tsy nahazaka izany dia naka ilay tora-by ary novelesiny tamin’izany ilay lehilahy. Nandositra avy hatrany ilay nahavanon-doza raha nahita fa maty ilay lehilahy. Iray hafa kosa niseho tao amin’ny distrikan’i Ambohimasoa, fokontany Belavitra, kaominina Camp Robin. Lehilahy iray 38 taona no maty tsy tra-drano rehefa niady tamin’ny lehilahy iray monina ao amin’io fokontany voalaza etsy ambony io. Notsatohan’ity lehilahy niady taminy tamin’ny antsy tandrify ny fony ilay lehilahy 38 taona rehefa niady ela ela teo izy roa. Noho ny ratra mafy nahazo azy dia teo no eo ihany dia tapitra ny ainy. Niala ny tanàna ihany koa ilay mpamono olona ary efa mandeha ny fikarohana azy amin’izao fotoana izao. Mba hanamoràna ny fikarohana azy dia notazomina ao amin’ny borigady Camps Robin ny namany anankiray akaiky azy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







