Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Manosihosy ny fampahalalam-baobao!

Nilaza tsy nanontaniana! Io no teny mahalaza ny nataon’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika tao amin’ny pejy facebook. Niala-tsiny ary nanambara mantsy izy ireo fa nandefa vaovao tsy mitombina. Izany hoe nandainga raha ny fiteny mahitsy noresahina. Efa nampoizin’ny maro hatry ny ela fa misy vaovao tsy mitombina aelin’ny mpitondra fanjakana matetika saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia niaiky ny fandefasana vaovao tsy mitombina izy ireo. Hatramin’izay anefa dia ny mpanao gazety hatrany no endrikendrehina ho manely vaovao diso sy mandainga. Ny Praiminisitra aza moa farany teo dia nanipy teny fa “samy manana ny radio henoiny. “Ny anareo mety radio amin’ny teny anglisy fa ny anay radio malagasy” hoy izy. Toa milaza io hafatra mifono hevi-dalina io fa tsy mifanandrify amin’ny zava-misy marina ny vaovao ampitain’ny mpanao gazety malagasy. Resaka korontana sy savorovoro ao Fianarantsoa no niaingan’ny ady hevitra satria maro tamin’ireo vahoaka mpifidy sy antoko politika nandray anjara tamin’ny fifidianana no nanao fanambarana ofisialy fa hanao hetsika. Nitatitra izany ny mpanao gazety eto an-drenivohitra dia nolazaina fa tsy mitombina ny resaka. Ny alin’iny ihany anefa dia nisy ny asa fampihorohoroana sy ny fanafihana mahery vaika tao amin’ny haino aman-jery Viva any an-toerana. Izany hoe tsy milamina i Fianarantsoa ary na ny mpitandro filaminana aza nahita izany.

Maro loatra ny sivana atao amin’ny fampahalalam-baovaom-panjakana ka lasa tompon-trano mihono manoloana ny raharaham-pirenena ny vahoaka malagasy. Misy mihitsy ny vaovao tsy mitombina na ihany koa ampahany kely ihany no alefa ho fantatr’ireo tsy afaka mihaino na mahita na mamaky vaovao amin’ny fanaovan-gazety tsy miankina. Tsy hitondra vahaolana ho an’ny firenena anefa ny fanakanana ny vahoaka tsy hahalala ny marina. Tsy adala ny vahoaka ka hihevitra korontana sy gidragidra hiteraka krizy vaovao eto amin’ny firenena. Tsy misy olona mihevitra ny hanongam-panjakana ihany koa eto raha izay no atahoran’ny mpitondra ka ezahina hanakanana ny fampitam-baovao tsy mitanila.

Anisan’ny fomba amam-panaon’ny fitondram-panjakana ohatra ny manasivana ny mpanao gazety omena vaovao. Misy amin’ny minisitera mihitsy no manavakavaka mpanao gazety ka izay namanamana sy mpiara-mitsentsitra ary azo antoka fa tsy sahy hiteny ny tsy mety satria matahotra ny ho very fihinanana ihany no antsoina rehefa misy hafatra tian’ny minisitra ampitaina. Ity asa ity rahateo tafiditr’ireo voarabirabin’ny patsa indray mahandro ka mpanao gazety ihany no manome torohevitra ireo minisitra hisolelahany mba hanavakavaka ny asa. Toe-tsaina lomorina izany ary mifanipaka tanteraka amin’ny etika sy ny deontolojian’ity asa ity. Raha ny tena izy ohatra dia manosihosy ny asa fanaovan-gazety ary tsy mety mihitsy ny fananganan’ny minisitera na sehatra tsy miankina ekipa-na mpanao gazety hiara asa aminy. Raha olona tena matihanina sy nianatra momba ity asa ity dia anisan’ny fady indrindra izany hoe efa manana ekipa-na mpanao gazety miara-miasa amin’ny sehatra iray. Tena fanaon’ny mpitondra fanjakana sy ireo sampan-draharahan’ny firenena mikambana milaza azy ho mandala ny fahalalahana anefa io fomba io.

Voatambitambin’ny tolotolotra madinidinika sy ny tombontsoa kely tsy mahavita-taona ireo mpanao gazety amin’ireny tambazotra ireny dia mitatitra be fahatany ny vaovao mba hidokafana ireo malala-tanana mpiara-miasa aminy. Nisy tompon’andraikitra iray eo anivon’ny banky iraisam-pirenena aza sahy nilaza mihitsy fa manana mpanao gazety mahatoky mpiara-miasa aminy ary nanasokajy ireo tsy mamoaka ny vaovaon’ity sampan-draharaha iraisam-pirenena mpampanjana-bola ity ho tsy matihanina sy mpaka felaka. Adinon’io lehilahy izay mpanao gazety fahiny io saingy efa tsara toerana ankehitriny fa fady eo amin’ny lalàna fototra mifehy ny asa fanaovan-gazety matihanina izany manangana ekipa manokana hamoaka ny vaovaon’ny sampan-draharaha iray izany.

Vaovao mitanila hidokafana ny asany matetika no ezahin’ireny sampan-draharaha ireny avoakan’ireo mpanompo mahatoky azy ireo.

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre