Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Lalam-pirenena faharoa – Fiara vaventy roa lasibatry ny jiolahy

Mirongotra indray ny asan-jiolahy amin’iny lalam-pirenena faharoa iny tato ato. Fiara vaventy miisa roa mpitatitra entana no indray notafihan’ny jiolahy tamin’iny herinandro lasa iny. Teny amin’ny tanàna antsoina hoe Sandranetana, kaominina Fanandrahana, ao anatin’ny distrikan’i Toamasina faharoa no nisehoan’ny fanafihana voalohany ary tao Vohitsara Marofody, kaominina Ambaninony, distrikan’i Brickaville ny faharoa. Araka ny vaovao voaray dia nanao sakan-dalana ireo jiolahy ka voatery nijanona ireo fiara lehibe ireo satria tsy afaka niala. Vao tafajanona ireto fiara dia  nivoaka avy tao anaty kirihitra ala ireto jiolahy niaraka  tamin’ny basy mahery vaika sy zava-maranitra nandrahona ireo mpamily fiara. Tahotra ny ho faty dia nanaiky izay sitrapon’izy ireo ny mpamily. Kamiao « semi-remorque » no norobain’ireo jiolahy ka lasa tamin’izany ny entana toy ny lafarinina miisa 28 lasaka sy ny kodiarana fiarakodia miisa roa izay handeha hanaovana fanavotana taksiborosy iray tavela eny an-dalana tao Ranomafana. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy na naratra. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre