Toamasina – Jiolahy roa saron’ny polisy
Avy nanao ny asa ratsiny indrindra ireto jiolahy no saron’ny polisy tao amin’ny fokontany Ankirihiry Atsimo ny sabotsy maraina, tamin’ny 6 ora. Mpivarotra iray handeha hividy entana no lasibatr’izy ireo tamin’io andro io. Basy poleta miisa roa no nentin’ireto farany nandrahona ilay lehilahy. Noho ny hery tsy mitovy dia tsy afaka nanohitra ity ranamana. Vokany, lasa ny vola an-tapitrisany saika hividianana entana.
Tsy nampoizin’ireo jiolahy anefa fa nisy nahatsikaritra ny asa ratsy nataony. Olona tsy lavitry ny toerana nisehoan’ny halatra no nampandre haingana ny mpitandro filaminana. Tsy lasa lavitra akory ireo jiolahy dia tratran’ny polisy ary mbola teny amin-drizareo ny fitaovam-piadiana nampiasainy. Mbola sarona niaraka tamin’izy ireto koa ilay vola nangalarina. Misokatra ny fanadihadiana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







