Vous êtes ici :

Samedi 13 Décembre 2025

ombre

Miarinarivo Itasy – Mitarika korontana ny toetry ny taalen’ny EPP

Mitaraina mafy noho ny afitsok’i Rtoa Niriharitiana Haingo Rakotonirina, Talen’ny EPP Ambahona, fokontany Amboalefoka, Kaominina Ambanivohitra Miarinarivo, Distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy, ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny fokonolona any an-toerana noho ny toetran’ity tompon’andraikitra ity tsy mifanaraka amin’ny maha mpanabe azy toy ny fampijaliana mpianatra amin’ny alàlan’ny sazy tsy mifanaraka amin’ny fanabeazana (mandohalika mandra-pirava, fandroahana mody), fikapohana mpianatra tafahoatra (misy ny folaka tànana, misy ny mandositra noho ny tahotra).Manao didy jadona tsy refesy mandidy amin’ny fitondrana ireo mpampianatra ao amin’ny sekoly. Anisan’ny hanakianana an’ity tale ity koa ny fitantanana tsy mazava ny lafiny ara-bola.

Niray hina noho izany ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny fokonolona ka nandefa tatitra narahana sonia marobe tany amin’ny chef CISCO sy ny DREN Itasy ny volana jolay 2015 lasa teo. Vokany. Nomen’ny Talen’ny DREN baiko an-telefaona ny chef CISCO tao Miarinarivo mba handray ny andraikiny avy hatrany ka namoaka naoty laharana 2015-(1)-/DAF/MVO/Pers. nanala io Tale io tao amin’ilay sekoly ary nanendry an-dRtoa Rasoamananandro Lydia Blandine ho tale vaovao. Ny mahagaga anefa ankehitriny dia manakana io fanendrena io ny chef SAF (Service administratif et financier) ao amin’ny DREN Itasy izay misolo toerana vonjimaika ny Tale noho ny tsy fahasalaman’ity farany.

Noho izany rehetra izany dia nanapa-kevitra ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny fokonolona ao an-toerana fa hiara-hanatona ny tompon’andraikitra ao amin’ny DREN Itasy amin’ity alatsinainy 10 aogositra ity hangataka fanazavana ary hitaky ny ampiharana ny naoty navoakan’ny chef CISCO. Mbola tantara mitohy.

 

Noelimasinaval.

Journaliste Radio FY Miarinarivo.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre