Fenoarivo Atsinanana – Fito lahy nandroba iray tapitrisa ariary
Mirongatra tsy misy ohatra izany ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana amin’izao fotoana izao. Tokantrano iray tao Sahavola indray no nidiran’ireo jiolahy an-keriny ny faran’ny herinandro lasa teo. Fito lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no fantatra fa tonga nanafika io tokantrano io ary nandrahona ireo tompon-trano hamoaka ny vola rehetra. Manoloana izany dia tsy nisy sahy nanohitra ireo olona tao an-trano ary lasa ny vola iray tapitrisa ariary.
Tamin’izany fanafihana izany dia nitifitra ireo jiolahy ka naratra mafy voan’ny bala teo amin’ny tanany ny olona iray tao an-trano. Tsy nisy kosa ny aina nafoy ary nandositra ohatra ny tsy teo ireo mpandroba rehefa azon’izy ireo izay notadiaviny. Efa nisy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary fa mbola tsy nisy vokany izany hatreto. Mitohy ny fikarohana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







