Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Bakalorea Toamasina – Mpiadina miisa telo tratra nanao hosoka

Ny marainan’ny andro voalohany tamin’ny fanadinam-panjakana bakalorea dia nisy sahady ny mpiadina tratra nanao hosoka nandritra ny taranja filôzôfia tao amin’ny foiben-toeram-panadinana Lisea Jacques Rabemananjara. Mpiadina miisa telo mianadahy no voatery navoakan’ny lehiben’ny ivon-toeram-panadinana bakalorea sady nasaina nody avy hatrany. Ireto farany izay sarona nitondra tahirin-kevitra nandritra ny fiatrehana ny taranja filôzôfia. Araka ny filazan’ny mpiadina iray izay nanatri-maso ny raharaha dia nandeha nivoaka tany amin’ny toeram-pivoahana ny iray tamin’ireo mpiadina tratra no niditra ny efitranom-panadinana ny lehiben’ny ivon-toeram-panadinana nanao fisavana ireo mpiadina. Tratra nandritra izany ny kahie nisy oha-pitenenana sy ny taratasy misy lesona izay nafenina tao ambany latabatra. Bakalorea ao anatin’ny lenta mitovy sy mangarahara no tanjona. Noho izany dia nasaina nanao fitantanana an-tsoratra ilay mpiadina izay niray latabatra tamin’ilay tratra nanao hosoka. Andrasana izay fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitra misahana ny fanadinana bakalorea mahakasika io tranga io.

 

 

Nilamina na tsy nisy Seces aza

Raha ny eto an-drenivohitra manokana no resahana dia tsy nisy olana ny tsy fandraisan’ny Seces andraikitra tamin’ny fanadinana bakalorea. « Raharahan’ny Seces manokana ny tsy fandraisana ny andraikitra tamin’ny fanadinana bakalorea fa ity raharahan’ny fanjakana sy adidy masina amin’ny tanindrazana ka tsy maintsy efaina », hoy i Anselmo Andrianandrasana, lehiben’ny ivon-toeram-panadinana tetsy amin’ny Ceg Antanimena. « Nizotra antsakany sy andavany araka ny fieritreretana sy toromarika azo nandritra ny fampiofanana ny fanadinana bakalorea na dia teo aza ireo mpiadina izay nisy tsy salama noho ny rarin-tsaina. Fa efa nisy kosa ny fanaraha-maso nataon’ny mpitsabo ka nahatontosa ny fanadinana soamantsara ihany ireo mpiadina», hoy hatrany izy.

Efa vonona daholo ireo mpiadina ary tonga ara-potoana ny marainan’ny omaly alatsinainy nandritra ny taranja filôzôfia. Miisa 722 ireo mpiadina nanao fanadinana tao amin’ny foibem-panadinana Ceg Antanimena. 29 kosa ireo tsy tonga niatrika ny fanadinana. Ho an’ny foibem-panadinana Ceg 67ha kosa dia maherin’ny 500 ireo mpiadina ary miisa 92 ireo tsy tonga.

 

Mahajanga

Ho an’i Mahajanga dia tamim-pilaminana tanteraka no niatrehan’ireo mpiadina ny fanadinana na dia teo aza ny fitaintainana teo amin’ny mpiadina sy ny ray aman-dreny noho ny fitokonana nataon’ny mpampianatra mpikaroka. Miisa 18 381 ireo mpianatra niatrika ny fanadinana bakalorea tao amin’ny Faritra Boeny izay nozaraina tamin’ny ivon-toeram-panadinana 33. Nitombo 12,41% ny tahan’ny mpiadina amin’ny bakalorea ankapobeny raha toa ka nihena 12,83% ny tahan’ny mpiadina amin’ny sampana teknika tamin’ity taona 2015 ity. Nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany ny fiantsoana ny anaran’ny mpiadina. Tamin’ny 7 ora kosa vao nozaraina ny taratasim-panadinana, ary tamin’ny 7 ora sy sasany vao nomena ny laza adina ka nanomboka ny fanadinana. Ny taranja Filôzôfia no nanombohana ny fanadinana ny alatsinainy teo.

 

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre