Vous êtes ici :

Samedi 07 Février 2026

ombre

Fanaparam-pahefana !

Tany tan-dalàna i Madagasikara ary tsy maintsy ampiharina ny lalàna! Io hatrany no ambetintenin’ny mpitondra fanjakana eto amintsika rehefa hanao ny di-dohany izy ireo. Misy rahateo ilay fitsipika iraisam-pirenena mamaritra mazava fa tsy misy olona afaka milaza fa tsy mahafantatra ny lalàna. Azo iadian-kevitra tsara anefa izy io raha eto Madagasikara satria ny eto amintsika dia miova isaky ny mpitondra vaovao ny lalàna. Misy aza dia isam-bolana na isan-kerinandro mihitsy toy ny nitranga tamin’ny fifidianana farany teo ny lalàna. Tsy misy fampahafantarana ny votoatin’izany amin’ny vahoaka fa efa any amin’ny fampiharana ho an’ny tombontsoan’ny mpitondra vao samy talanjona ny rehetra. Maro tamin’ireo kandida sy ny mpanohana azy ohatra no efa ao anatin’ny ady hevitra ambony latabatra mivantana eny amin’ny fahitalavitra vao mahafantatra fa efa niova indray ny pitsopitsony amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana.

Somary mitanila ihany anefa ny fampiharana io lalàna satria raha ny iainan’ny vahoaka andavanandro dia gaboraraka tanteraka ny zava-misy. Samy manao izay tiany atao ny rehetra indrindra ireo olon-dratsy izay tsy misy fanasaziana sahaza azy ireny intsony. Mampametra-panontaniana ny maro ohatra ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy indrindra ny eto an-drenivohitra. Tsy misy fampiharana ny lalàna matoa maro ireo olon-dratsy no manao ny ataony. Matetika tokoa dia afa-bela amin’izao na dia ireo tratra ambodiomby nangalatra sy voaporofo ho namono olona aza. Maro amin’ireo mpikambana amin’ny andian-jiolahy voasambotry ny mpitandro filaminana no voaporofo fa olona mbola tokony higadra any am-ponja. Izany hoe misy mamoaka izy ireny nefa tsy misy mihitsy ny arakaraka. Tsy misy olona afaka ny handositra ny fonja izany, efa tsy nisy nahita ary tsy nisy fampandrenesana ny tompon’andraikitra rehetra raha tsy eto Madagasikara. Dia vitavita foana ireny gadra tafavoaka ny fonja ireny eto amintsika fa tsy misy ny fanadihadiana sy ny fampiharana ny lalàna ho an’izay mamoaka azy. Toy izany ihany koa ny eny anivon’ny fitsarana. Maro amin’ireo fantatra sy voaporofo fa nanao heloka no afaka madiodio ary tsy voafonja. Tsy ampy ny fampiharana ny lalàna eto amintsika ary toa natokana ho an’ny mafy ady sy ny sarababem-bahoaka ihany izany. Eo anivon’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena io no hita miharihary. Tsy mbola nisy mihitsy mpanakarem-be sy be fahefana ary atidoha mikotrika mpanao heloka bevava ireo nogadraina teto amintsika. Misalasala sy tsy sahy mampihatra ny lalàna ireo tokony hanao izany.

Tsy tara mihitsy anefa ny fampiharana ny lalàna rehefa ho an’ny tombontsoan’ny fitondram-panjakana. Tsy mahazo manao hetsika politika eny an-dalam-be ny vahoaka malagasy ka izay rehetra minia mandika izany lalàna izany dia iharan’ny fanasaziana avy hatrany. Vonona tsy misy andraso andraso ny fitondram-panjakana handefa ny mpitandro filaminana ampihatra ny lalàna, amin’ny alalan’ny fitorahana baomba mandatsa-dranomaso sy fisamborana ireo mpanao fihetsiketsehana. Mitanila ny fampiharana ny lalàna manan-kery eto amintsika. Ny madinika ihany no tena iharan’izany. Maro be anefa ireo manam-pahefana sy olona akaiky ny fitondram-panjakana no mandika ny lalàna nefa jerem-potsiny tsy misy mpanasazy.

Lasa fanaparam-pahefana fotsiny ny filazana fa tany tan-dalàna i Madagasikara. Ireo lalàna natao ho fiarovana ny tombontsoan’ny mpitondra no omena vahana ny fampiharana azy. Tsy misy mijery ny vahoaka ary tsy avela hiteny sy hitaky izay heverina fa mety hanatsarana ny fiainany. Misy mihitsy karazana lalàna noforonina hanapenam-bava ireo izay mitady hiteny ny marina sy hitaky ny mangarahara. Mbola lavitra ny fampandrosoana antenaina ho an’ity firenena ity raha izany hatrany ny fomba fiasan’ny mpitondra. Tsy mahagaga raha maro ireo mihevitra fa misy ny didy jadona sy ny fanaparam-pahefana.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre