Mahajanga – Voaroba 60 tapitrisa Ariary ny orinasa Star
Taorian’ny fanafihana ny toeram-pivarotana iray teny Amborovy sy ny trano fivarotana mpamongady iray teny amin’ny Sotema dia notafihan’ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ihany koa ny orinasa Star ao Mahajanga. Tamin’ny faran’ny herinandro no nisehoan’izany. Jiolahy miisa dimy niaraka tamin’ny basy miisa telo sy hazo vaventy ary zava-maranitra no voalaza fa tonga nanafika izany orinasa manodidina tamin’ny roa maraina tany ho any.
Vao niditra ny faritra ny orinasa ireo olon-dratsy dia novelesin-drizalahy tamin’ilay hazo vaventy ireo mpiambina miisa roa tao an-toerana ka torana tsy nahatsiaro tena ary naratra mafy. Nidiran’izy ireo an-keriny amin’izay tao amin’ilay orinasa ary vantany vao tafiditra tao dia novakian’ireo olon-dratsy ny vata fitehirizam-bola, ka lasa ny vola manodidina ny 60 tapitrisa ariary. Nampandre ny mpitandro filaminana ny manodidina vao nahare ny poa-basy nirefodrefotra nataon’ireo jiolahy. 20 minitra dia tonga teny an-toerana ireo zandary hijery ifotony ny zava-misy saingy efa lasa lavitra ireo mpanafika. Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Mangataka ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona ihany koa ireo mpitandro filaminana ahafahana misambotra ireo jiolahy sy mametraka ny filaminana ao Mahajanga amin’ny firongotry ny tsy fandriampahalemana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







