Matin’ny fitsaram-bahoaka – Nohanin’ny alika avy eo
Ny zoma 14 aogositra teo no nisehoan’izany tao Andrefan’i Antsahamasina ao Fianarantsoa, tamin’ny 4 ora hariva. Jiolahy iray no matin’ny fitsaram-bahoaka rehefa tratra ny mponina avy nanafika. Miisa 14 ireo olon-dratsy nanantanteraka ny fanafihana tamin’izany fotoana izany. Nisy fanarahan-dia nataon’ny fokonolona ka tsy lasa lavitra dia tratra ny iray tamin’izy ireo ary niharan’ny fitsaram-bahoaka. Ary tsy namelan’ny fokonolona mihitsy raha tsy tapitra ny ainy. Rehefa avy teo anefa dia tsy nisy nikarakara ny razana fa navelan’ny olona tamin’ny toerana nahafaty azy ka nohanin’ny alika.
Iray hafa niheren-doza
Raha nikasa hamaky trano tao amin’ny zana-bohitra Tanambao, ao amin’ny fokontany Ambohimasa ao Ambatondrazaka ny mpamaky trano iray dia noraisim-potsiny noho ny tahotra ny fokonolona sy ny fitsaram-bahoaka. Henon’ireo olona tao amin’ilay trano saika ho tafihana mantsy ny fahatongavany ka niantson’ireto farany vonjeo. Nirifatra nandositra tahakan’ny tsy teo ilay mpanafika. Ary raha iny saika hanao hitsin-dalana mba ahafahan’ny mitsoaka anefa ity farany dia latsaka tao anaty hantsana izay feno fakan-kazo. Naratra mafy ity farany ary noraisim-potsiny avy eo. Natolotra ny mpitandro filaminana rehefa avy niharan’ny fitsaran’ny vahoaka.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







