Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Mampihorohoro mpanao gazety i Mamy be

Ankoatry ny fampiasan-kery natao tamin’ny toeram-piasan’ny haino aman-jery Viva Fianarantsoa, izay nisian’ny fampihorohoana sy fandravana ary fanapotehina ny fitaovana samihafa dia niparitaka teto an-drenivohitr’i Toamasina ihany koa ny trakta feno fandrahonana ny haino aman-jery Feo Mazava Atsinanana “FMA” sy ny VIVA, ary ny mpanao gazety sasantsasany voalaza ho manohana ny antoko Mapar.

Ny  zoma 14 aogositra lasa teo no niparitahan’izany trakta feno fandrahonana izany, hita teny amin’ny tranobe CRJS tamin’ny toerana samihafa eto an-drenivohitr’i Betsimisraka. Araka izay voarakitra anatin’izany trakta izany, dia noho ny haino aman-jery FMA mandefa ny vaovaon’ny Kolo Tv, izay mitondra ny tsikera amin’izao fitondrana misy izao no nanaovana izany fandrahonana izany. Ho an’ny Viva Toamasina kosa, izay sahy mamosaka sy mitsikera izay tsy mety rehetra ataon’ny mpitondra fanjakana, nomarihina tao anatin’izany trakta izany ny fisian’ny soratra eny ambany toa izao: “manao sonia, Mamy be Fianaranantsoa”. Manoloana izany indrindra dia nanao fanambarana iombonana ny mpanao gazety rehetra eto Toamasina, teo ambany fitarihin’ny mpanolotsainan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, sampana Toamasina, Razafiniarivo Lucien, ny alatsinainy 17 aogositra 2015, ny tokony ametrahana  mpitandro filaminana amin’io tranoben’ny CRJS io, izay marihina fa tranom-panjakana nosokajiana ho isan’ny faritra mena ihany koa. Nohamafisin’ny mpanolotsainan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, sampana Toamasina, hatrany, fa ho fisorohana ny zavatra hafa mety hitranga, dia aleho mitandrina. Tsara ny manamarika fa karazana haino aman-jery miisa dimy no mipetraka ao amin’ity tranobe CRJS  ity : RNM, RTA, Dream’in, Viva, FMA. Manamafy ihany koa anefa ny mpanao gazety eto Toamasina, fa tsy atao hampihemotra ny asa fampahalalam-baovao atolotra ny fiaraha-monina mihitsy izao fisian’ny fandrahonana izao. Tahotra ny ratsy ahiana hiseho sy ho fantatry ny vahoaka no hevitr’izao fandrahonana atao amin’ny asa fampahalalam-baovao izao.

ZOUZOUH Toamasina.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre