Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Mampikony – Mpamaky trano saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Kely sisa no tsy nahatapitra ny ain’ity tovolahy iray manodidina 25 taona raha nifandritahan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Mahiabongo, ao Mampikony ny alahady lasa teo. Ity farany izay tratra ambodiomby saika hamaky trano raha toa ka tafaporitsaka ireo namany. Tokantrano iray tao amin’io fokontany no nokendren’izy ireo ho vakiana. Teo am-panatanterahana ny asa ratsiny izy ireo no nisy nahatsikaritra tampoka. Nampandre ny manodidina avy hatrany ilay nahita ary dia raikitra ny fanenjahana azy ireo ka tratra ny iray. Niangonan’ny rihitra ka nodarohan’ny olona ary efa naratra mafy vao tonga ny polisy fa raha tsy izany dia tapitra ny ainy. Ho fiarovana ny ainy sy fikarohana ireo namany tafatsoaka dia notazomina ao amin’ny biraon’ny polisy ao an-tampon-tanànan’i Mampikony ity jiolahy ity.

Araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao dia mahazo vahana tanteraka ny vaky trano any an-toerana amin’izao fotoana izao. Isaky ny alina dia manodidina ny telo fara-fahakeliny ny trano vaky izay isany tena mampitaraina ireo mponina satria efa tsy mifidy ora hanaovana ny asa ratsy ireo mpanafika.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre