Mpangalatra akoho – Niharan’ny hatezeran’ny fokonolona
Tsy nampoizin’ity mpangalatra akoho ny nanjo azy tao ambanivohitra Antananagnambo ao anatin’ny kaominina sy ditrikan’Antalaha ny alahady alina lasa teo raha saika hangalatra akoho iny indrindra. Raha niditra tao amin’ilay fisoko mantsy ity farany dia naneno daholo ireo akoho aman-borona tao ary nanaitra ny tompony sy ny manodidina.
Nivoaka ny trano ny tompon’ireo akoho ary akory ny hatairany raha nahita ilay tovolahy. Nandositra ilay olon-dratsy kanefa avy hatrany dia nampaneno kiririoka ilay lasibatra. Naheno izany ny iray tanàna dia nivoaka ny trano daholo sady nanenjika ilay mpangalatra. Tsy lasa lavitra ity farany fa tratra ary niharan’ny hatezeran’ny mponina.
Araka ny fantatra dia efa malaza ratsy amin’ny fangalarana akoho ao an-toerana ilay tovolahy fa izao vao tratra. Nodarohan’ny olona sy nokapainy tamin’ny famaky ity farany. Nisy ihany koa ireo namely tamin’ny hazo vaventy. Vokany, naratra mafy ilay jiolahy toy ny tanany an-kavanana ary vaky mihitsy moa ny lohany.
Ny nahagaga anefa mbola tafaporitsaka ihany ity lehilahy ity araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao. Mandeha ny fikarohana azy amin’izao fotoana izao. Raha ny vono nahazo azy mantsy dia tsy ho lasa lavitra io jiolahy io.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







