Lozam-pifamoivoizana – Olona roa naratra mafy
Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana ny andron’ny alatsinainy lasa teo. Tovolahy iray 23 taona no naratra mafy nofaohan’ny môtô tamin’iny lalam-pirenena faha-7 iny tamin’ny 10 ora sy sasany maraina,teny Bongatsara. Nanapaka tampoka ny arabe ity farany raha nisy môtô nirimorimo mafy avy ka nifaoka azy. Noho ny dona mafy nahazo azy dia tapaka mihitsy ny tongotr’ilay tovolahy.
Ny andron’io ihany dia lehilahy iray hafa no torana tsy nahatsiaro tena raha nodomina fiara mpitondra marary tetsy Tsimbazaza. Niampita tampoka ny arabe ihany koa ity farany raha nandalo ilay fiara izay nandeha mafy tokoa. Nipitika lavitra ny toerana nisehoan’ny loza ilay lehilahy ary tsy nahatsiaro tena intsony avy eo. Ilay fiara nandona azy ihany nony avy eo nitondra azy nakany amin’ny hopitaly.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







