Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ny avo ihany no tovonana !

Avo fijery tokoa ity fitondram-panjakana ity ary tena manao laharam-pahamehana ireo manan-katao sy mahitahita. Hita taratra izany eo amin’ny sehatry ny fitaterana izay tena hisian’ny fahasamihafana tanteraka. Tsy hitan’ny fitondram-panjakana ny haratsian’ireo fiara fitateram-bahoaka manerana ny Nosy.Tranon’akoho araka ny fomba fitenenana ny ankamaroan’ireo fiara miantoka ny fivezivezen’ny olona eto Madagasikara. Na eto an-drenivohitra aza izany dia tena mampitaraina ny mpanjifa nefa tsy hita izay tena fandraisana fanapahan-kevitra mahomby ataon’ny mpitondra. Tsy mahagaga raha mihamaro hatrany ny lozam-pifamoizana hamoizana ain’olona sy mampitondra takaitra ary manimba fananana tsy hita pesipesenina.

Tsy mbola nanipy teny mikasika io olana iray izay mianjady amin’ny vahoaka malagasy io mihitsy ny filohan’ny Repoblika na indray mandeha monja aza. Mety tsy fantany angamba izany ary tsy tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana. Ny vahoaka madinika mampiasa ireny fiara fitateram-bahoaka ireny rahateo dia tsy mba sokajiana velively ao anatin’ny hery mpandray anjara amin’ny asa fampandrosoana ny firenena.

Mifanohitra amin’izany kosa ny fikarakarana sy fitsinjovana manokana ny vahiny sy ireo manan-katao. Laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ny fifamoivoizana an’habakabaka izay ny vahiny mandalo sy sokajin’olona vitsy no manana fahafahana handeha amin’izany. Nahavita nividy fiaramanidina sy nametraka tetikasa hanitarana ny seranam-piaramanidina iraisaim-pirenena mihitsy ny mpitondra ankehitriny. Mazava ho azy fa tsy ny sarababem-bahoaka velively no hisitraka ireny fa ireo mahitahita ihany. Manome tombony ireo manan-katao sy ny vahiny mba tsy ho lany andro amin’ny fitaterana an-tanety sy tsy ho azon’ny lozam-pifamoivoizana ary ny fanafihan’ireo mpanakan-dalana izany. Tena manome taratra ny fomba fiasan’ny mpitondra tsy mitsinjo madinika fa manome vahana ny mpanan-karena ity resaka mizana tsindrian’ila eo amin’ny sehatry ny fitaterana ity.

Tsy ny fitaterana ihany anefa no voakasik’io resaka io fa ny eo amin’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ihany koa. Nanaitra ny maro ny nandrenesana fa misy zandary hatrany amin’ny 150 any ho any navoaka sy naparitaka hiaro manokana ireo karana eto an-drenivohitra. Tsy misy maharatsy azy ilay fanapahan-kevitra satria karana miisa 2 no nisy naka an-keriny tao anatin’ny herinandro. Na izany aza dia nampiseho iny fanapahan-kevitra iny fa laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ny fiarovana ny vahiny sy ny fananany noho ny fiarovana ny Malagasy. Ho an’ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina manokana mantsy dia efa fantatra fa “faritra mena” amin’ny fanendahana sy ny sinto-mahery ary ny fanafihana mitam-piadiana avokoa ny fokontany rehetra. Isan’andro dia tsy maintsy andrenesana trangana fanendahana sy fanafihana hatrany. Tsy mbola nisy mihitsy anefa fandraisana andraikitra hamoahana zandary an-jatony hiaro ny mponina eto Antananarivo. Vao ny vahiny no voatohintohina ny amin’ny fahalemany dia mikoropaka ny fitondram-panjakana. Manam-bola ireny vahiny ireny ka tsy azo atao tsinontsinona satria ho sahirana ny mpitondra.

Maro ny mizana tsindrian’ila eto aminstika ary toa ny avo ihany no tovonana fa ny vahoaka madinika sy mahantra tsy misy mpijery nefa kosa atao fitaovana hanamafisana ny fahefana fotsiny. Mody hanaovana asa soa amin’ny fizarana patsa indray mahandro sy vola kely tsy mahavita herinandro akory ny mponina eny amin’ny faritra iva rehefa mafampana ny toe-draharaham-pirenena. Mody hananganana foto-drafitr’asa kely tsy misy fiantraikany amin’ny fidiram-bolany akory ny vahoaka amin’ny fokontany manodidina mba hisehosehoana fa miasa ny fitondram-panjakana.

Ny tena andavanandrom-piainan’izy ireny anefa dia tsy misy mijery ary rehefa tsy mahay miaro tena amin’ny fanafihan’ny jiolahy dia very fanana sy maratra na mamoy ny ainy tsy misy mpiaro. Rehefa tsy mahay mionona amin’ny fiara fitateram-bahoaka izay tena ratsy dia ratsy dia mandeha an-tongotra.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre