Antalaha – Sambo rendrika, vehivavy roa mbola karohina
Nitrangana loza an-dranomasina indray ny Faritra Sava. Noho ny faharatsian’ny toetr’andro no nahatonga ny loza. Voalaza fa nisamboaravoara be ny ranomasina noho ny fitsokan’ny rivotra izay tena nahery vaika ka nampivadika ity sambo. Samy manana ny filazany anefa ny loharanom-baovao mahakasika an’ity loza an-dranomasina ity. Ny avy any an-toerana dia milaza fa sambo roa avy any Mananara Avaratra hihazo an’Antalaha no indray rendrika tao amin’ ny vavaranon’i Ambombato, kaominina Vinanivao, ao anatin’ny distrikan’Antalaha ny harivan’ny alatsinainy tamin’ny 7ora tany ho any.
Nitondra mpandeha mahatratra roapolo mahery izy ireo sy lavanila roa taonina. Vehivavy miisa roa ary bevohoka ny iray amin’izy ireo sy zazakely iray no mbola karohina ankehitriny raha toa ka tovovavy 25 taona no hita faty omaly maraina teny amin’ny sisin-dranomasina Ampanavoana. Hita ihany koa ny lavanila efatra gony.
Ny loharanom-baovao hafa indray manambara fa sambo lehibe iray mitondra ny anarana « Ms Corina » ity rendrika ity izay mpitatitra entana mampitohy an’Antalaha sy Mananara Avaratra. Nitondra lavanila sy môtô iray ilay sambo ka mpiasa miisa enina tao anatiny no tsy hita popoka avokoa, izay tsy fantatra na maty na velona hatreto. Na izany na tsy izany dia manao antso avo amin’ireo olona mipetraka manodidina ny ranomasina ny mpitandro filaminana any an-toerana mba hanome vaovao azy ireo raha sendra mahita zavatra mampiahiahy eny amin’ny ranomasina eny. Mitohy ny fikarohana ireo olona mbola tsy hita.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







