Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Alaotra – Manao fanamiana mpitandro filaminana ireo jiolahy

Lasa fanaon’ny jiolahy ao amin’ny tapany avaratra Ambatondrazaka ao ny misandoka ho mpitandro filaminana rehefa hanao fanafihana izy ireo. Tsy alina tsy atoandro izany ary efa lany henatra ireo mponina mihitsy izy ireo. Ireto farany koa tsy sahy mitory noho ny tahotra sao iharan’ny valifaty. Ary dia manararaotra toy ny banga mihomehy alina ireo jiolahy mandroba ireo mponina. Ankoatra ny halatra omby sy ireo biby fiompy any an-toerana dia lasibatra ihany koa ireo mpanam-bola. Marihana fa mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika  koa ireo jiolahy. Efa nisy ihany ny tetik’ady niarahan’ny mponina mifanaitra rehefa misy fanafihan’ny jiolahy saingy noho ny fanapoahana basy ataon’ireo farany dia tsy sahy mivoaka mamonjy ny voatafika ny rehetra fa vao maika aza manakatom-baravarana. Ary tsy maintsy namafisina araka izay tratra aza ny hidin-trano, indrindra fa ny an’ireo mpivarotra. « Vokatr’izany dia manjary nafindra eo an-tokontany, eo akaikin’ny varavarana mihitsy ny valan’omby sy ny fisokon’akoho amam-borona kanefa rehefa tonga ireo mpandrava mbola manahirana ihany koa ny fivoahana hiaro ireo fananana ireo », hoy ihany ny mponina.

 

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre