Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Jamban’ny seza !

Ho raikitra indray ny fizarana seza ato ho ato. Efa irona amin’izany rahateo ny ady hevitra rehetra afafin’ny mpanao politika etsy sy eroa. Ao Tsimbazaza dia efa tsy lahatombin-tsiaka avokoa ny ankamaroan’ireo solombavam-bahoaka. Efa mikonokonona ny hahazoana ny maro an’isa ireo parlemantera. Ny vondron’ny maro an’isa rahateo no voatondron’ny Lalampanorenana hanome ny anaran’ny praiminisitra. Mbola sarotra ny raharaha ary efa mandeha ny kajikajy rehetra. Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra sy ny tokony ho izy dia ireo antoko politika mpikambana ao amin’ny Armada no manana ny maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Misy fepetra ihany nefa izany dia ny fisian’ny firaisan-kina sy ny fifampitokisana. Raha isaina ny lisitr’ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ireo antoko politika mivondrona ao amin’ny Armada dia izy avy hatrany ny maro an’isa. Iaraha-mahita anefa fa maro ny fangoloka tsy azo itokisana raha vao politika sy seza no resahina. Mbola manjaka be rahateo ny herin’ny vola ao amin’ity andrim-panjakana iray ity ka mahatonga ny ankamaroan’ireo depiote hiova hevitra ao anatin’ny iray minitra.

Inoana fa efa manana tetika maty paika rahateo ny filohan’ny Repoblika raha nilaza fa aleo atsangana ny maro an’isa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena dia izay no hamaritra ny tohin’ny raharaha. Toa efa matoky ny filoha fa hanohana azy io maro an’isa io amin’ny fifampiraharahana ho fametrahana ny fifanarahan’andraikitra eo amin’ny fahefana mpanao lalàna sy ny fiadidiana ny Repoblika.

Hita taratra rahateo ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-tseza asehon’ireo mpanao politika rehetra. Tsy niambahamba mihitsy ny mpitondra tenin’ny antoko politika matanjaka iray izay azo lazaina fa tena mpitsikera ity fitondram-panjakana ity fa tsy mahavita azy nefa vonona ny hiditra ao anatin’ny Govenemanta izy ireo raha mifanaraka. Nanaitra ny maro ihany izany resaka izany satria vonona ny hifampizara ny manta sy ny masaka amin’ireo nolazainy fa namotika ity firenena ity io antoko io.

Tsy izy irery anefa fa maro no tsy fantatra mazava izay tena heviny. Misy antoko milaza fa manohana ny Fanjakana nefa ny fingampingana any ambadika mandeha ihany. Manaporofo ireo rehetra ireo fa tsy manan-kambo ny mpanao politika eto Madagasikara ka na hita izao aza fa efa tsy mahomby ilay fitondrana dia mbola sisihana ihany ny hiara-hiasa aminy. Rehefa voatsipaka ambava-fo sy tsy nahazo seza anefa  malaky mitabataba sy mandrahona ny hanongana.

Tsy manan-kambo fa matin-tseza ireo mpanohitra ka mitady ny fomba rehetra hahazoana toerana eo anivon’ny fitondrana. Tsy mahagaga raha lasa kilalao ny raharaham-pirenena ary manao izay tiany atao ny mpitondra satria tsy misy azo antenaina intsony hiaro ny tombontsoam-bahoaka. Na ny mpanao politika na ireo mpitarika sendika dia samy tsy maharitra ny mena miraviravin’ny fitondram-panjakana ka izay mahavita mitarika olona maro hitabataba dia omena toerana kely na tambiny any ambadimbadika any dia toa miravina ho azy ny disadisa. Be ihany izay nitarika hetsika fanoherana ny tsy an-drariny sy fitakian-jo izay hatramin’ny nijoroan’ity fitondram-panajakana ity nefa toa nilamindamina ho azy teny ny raharaha. Tsy nisy anefa ny vahaolana maharitra raisina fa dia vitan’ny hoe nifampiresaka dia najanona ny fitokonana. Toa lasa asa fitadiavam-bola ho an’ireo mahay miresaka sy tsy maty am-bavany sisa ny fitakian-jo sy ny fiarovana ny vahoaka eto Madagasikara ka raha vao mahita seza azo ipetrahana ahafahana mahazo fahefana sy hanangonan-karena dia samy mangina avokoa.

Lasa ady varotra eo amin’ny mpanao politika sy ny fitondram-panjakana ny fahorian’ny vahoaka ka na mahita aza ny mpanohitra fa misy ny tsy mety dia vonona ny hangina raha omena toerana. Jamban’ny seza marina izy ireo ka vonona ny hikipy sy hanampin-tsofina ary hanakombom-bava raha vao omena tombontsoa.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre