Fianarantsoa – Dahalo 52 nangalatra omby zato mahery
Mihamafy ny asan-dahalo ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Tsy vitan’izany fa manao andiany folo hatramin’ny zato ireo dahalo rehefa hanafika ny tanàna iray. Manoloana izany dia mihoronkoditra tanteraka ireo mponina amin’ny afitsok’ireo olon-dratsy satria tsy vitan’ny manafika ihany ireto farany fa mahavita mamono ihany koa. Ary tsy mifidy ora hanafihana intsony ireo dahalo any an-toerana fa na amin’ny atoandro be nanahary aza manao izany.
Ny talata maraina tamin’ny 8 ora dia andian-dahalo miisa 52 no tonga tao amin’ny fokontany Fanamehana ao Fianarantsoa niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Ny telo tamin’ireo mpanafika nirongo basy Mas 36 raha toa ka niaraka tamin’ny basim-borona avokoa ny ambiny. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny fidiran’izy ireo ny tanàna ampitahorana ireo lasibatra. Paik’ady tena nahomby tanteraka satria niala tanàna daholo ireo fokonolona vao naheno ny poa-basy noho ny tahotra. Lasa niafina tsy lavitra teo izy ireto nijery ny ataon’ireo dahalo.
Nisakafo vao nandeha ireo dahalo
Vao nandositra ireo fokonolona dia nanao izay danin’ny kibony amin’izay ireo tsy mataho-tody. Rehefa avy nandroba ireo omby miisa 150 mantsy izy ireo dia tsy mbola nandositra fa nipetraka nikarakara sakafo sy nihinina. Novonoin’ izy ireo avokoa ireo akoho amam-borona an’ireo mponina tao an-toerana. Andaniny kosa anefa tsy niandry fotsiny ireo fokonolona fa nisy nampandre ny mpitandro filaminana ka nidina teny an-toerana ny Das miisa telo fa tsy nahatratra ireo dahalo intsony. Nisy fanarahan-dia natao niaraka tamin’ny fokonolona ka nifanehitra ny roa tonta. Nisy ny fifampitifirana fa tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa tafaverina ny omby miisa 93. Tsy nijanona teo fa nanohy ny fanarahan-dia ihany ireo miaramila ary omby efatra hafa indray no hita teny an-dalana saingy efa maty novonoin’ireo malaso.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







