Niala lalana ny fiaran’ny primatora – Roa lahy naratra mafy
Raha niainga teto an-drenivohitra hihazo ny tanànan’i Nosy Be hanatanteraka irika ireo mpiambina ao amin’ny Primatora dia nivadika ny fiara rehefa tao amin’ny lalam-pirenena faha-6, lalana 30 kilaometatra avaratra Antsohihy. Omaly tokony tamin’ny 7ora tany ho any no nisehoan’izany. Tsy fantatra hatreto ny nahatonga ny loza fa araka ny loharanom-baovao dia nifandona tamin’ny fiara iray hafa ity farany ka niala lalana. Mpiambina miisa telo no tao anatin’ilay fiara ary ny roa tamin’izy ireo naratra raha toa ka naratra mafy ny iray. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly tao Antsohihy ireo mpiambina ireo mba hahazo fitsaboana. Vao naheno ilay lozam-pifamoivoizana kosa ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo dia nandefa haingana hangidim-by tany an-toerana naka ireo naratra ireo ary nentina avy hatrany taty Antananarivo. Misokatra ny fanadihadiana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







