Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Tambazotra Lampogno – Nankaiza ireo andramena nogiazina

Hatramin’ny nanakatonana ny fadiseranana ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra ny taona 2010 dia nahazo vahana ny fanondranana gaboraraka ny andramena. Lasa tsy voafehy intsony ny fivoahanan’ny vokatra ao an-toerana sy ny fivezivezen’ny sambo ao amin’ny seranana. Tena very anjambany ny hetra avy amin’ny fadiseranana ka lasa mahazo vahana manaraka izay ihany koa ny kolikoly amin’ny fanondranana sy fanafarana entana. Efa misy anefa ny lalàna mifehy ny fanondranana tsy ara-dalàna amin’ny fanenjehana ireo mpanondrana ny harena sarobidy. Efa nisy ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny governemanta amin’ny tsy fisiana indra-fo amin’ireo tratra manao an’izany fanondranana izany. Natsangana ihany koa ny fitsarana manokana momba izany. Ny filohan’ny Repoblika moa etsy ankilany efa  nanao fanambaram-piantohana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena anefa tsy hita izay vokany izany hatreto. Ireo olona rehetra  lazaina fa trondro vaventy votsotra avokoa rehefa tonga eny amin’ny fitsarana. Misy ny finiavana politika fa tsy ampy ny fandraisana andraikitra, hoy ireo olona avy ao amin’ny tambazotra Lampogno miady amin’ity fanondranana andramena avy any Maroantsetra nandritra ny famelabelarana arahana ady hevitra izay natao tetsy Nanisana omaly mitondra ny lohateny hoe « Aboahy Ankiaka ». Nankaiza daholo ireo andramena nogiazina ? Nanomboka ny taona 2009 hatramin’ny 2013 dia miisa 163 fotsiny ireo bolabolana andramena voageja tao amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Ireo isa ireo dia manamarina fa misy tokoa ny fanaovana trafikana andramena ary manambara fa tsy mifanentana ny zava-misy sy ny fandraisana andraikitra.

 

Nanova paik’ady ireo mpandraharaha andramena

« Any amin’ny faritra Atsimon’i Maroantsetra no mora ny fidirana amin’ireo ala. Ao Fanenahana ny toerana fivoahan’ny andramena fa tsy fantatra nankaiza ireo bolabola. Ao Morafeno indray dia hita ny fisiany fa tsy voaisa noho ny ankamaroan’ny milevina ambany tany. Raha any amin’ny kaoperativa Rantabe indray no asiana teny dia 343 andramena hatreto no voageja ao anaty magazay ary miisa 286 fotsiny no hazo tratra ao amin’ny « Madagascar National Parc » ao Ambanizana », hoy hatrany mpikambana ao amin’ny tambazotra. « Mangataka izahay ny hamoahana ireo hazo maro be izay nogiazina ao amin’ny ala Masoala mba havoaka aty Maroantsetra ary tsy azo esorina ao izany raha tsy misy taratasy mazava tsara », hoy Clorisse Razafimalala ao amin’ny tambazotra Lampogno. Araka ny fanambaran’ny tale jeneraly ny Samifin, Razaranaina Claude dia nanova paik’ady tanteraka ireo mpandraharaha andramena nanomboka ny taona 2012 no mankaty taorian’ny figiazan’ny kaontin’olona miisa 49 tamin’ny taona 2011. Ny fanadihadiana natao tamin’izany dia mahatratra 350 miliara ariary ny fitambaran’ireo vola ireo. Efa natolotra ny fitsarana ireo atontan-taratasy mahakasika izany tamin’izany fotoana izany fa votsotra indray. Mety tsy ampy angamba ny vesatra teny amin’ny fitsarana fa tsy nisy voasambotra ireo olona ireo.

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre