Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Bakalorea 2015 – Nanjaka ny hosoka sy hadisoana

Nahazo vahana hosoka sy ny hadisoana nandritra ny fanadinana bakalorea tamin’ity taona 2015 ity. Ankoatra ireo mpiadina miisa efatra tratra nanao hosoka tao Toamasina dia nahitana izany tranga izany koa ny teto an-drenivohitra sy ny tany Toliara. Raha ny teto Antananarivo dia mpiadina iray tao amin’ny ivon-toeram-panadinana lisea J.J. Rabearivelo no tratra nisandoka ho mpiadina iray omaly maraina.

Ho an’i Toliara manokana dia nandritra ny adina tantara sy jeografia no fantatra fa nitrangan’ny hosoka sy hadisoana tany an-toerana. Miisa dimy izy ireo, ny iray tao amin’ny lisea Laurent Botokely, ity farany tratra nitondra karine misy lesona. Ny telo hafa kosa tany amin’ny faritra Betioky, izay tratra nitondra dika mitovy, na kahie misy lesona ihany koa.

Ny iray hafa indray dia tsy izy no tonga niatrika ny fanadinana fa olon-kafa. Teo amin’ny kara-panondro no nahatratrarana azy ireo. Fantatra fa sary mifampitaingina ary tsy misy tombokase no tamin’ilay kara-panondro. Efa nisy ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra mahakasika izany ka atolotra ny fahefana mifanandrify amin’izany.

Niteraka olana tamin’ireo mpiadina mpanaraka finoana silamo ny fisavana izay natao nandritra ny fanadinana. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia tsy azo atao ny misaron-doha mandritra ny fanadinana mba hitandroana ny mety hanaovana hosoka fa indrindra ny fanakonana sofina ka niangavy azy ireo ny lehiben’ny ivon-toeram-panadinana mba hanala ny saron-doha. Nisy ireo mpiadina nanala tanteraka izany fa nisy kosa ireo tsy nanaiky mihitsy izay niteraka olana nandritra fanadinana bakalorea. Fa amin’ny ankapobeny dia nilamina  ny fanadinana tany an-toerana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre