Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Midongy Atsimo – Dahalo sarona niaraka tamin’ny ody gasy

Mitohy ny tsy fandriampahalemana any Midongy Atsimo. Mandry tsy lavo loha ireo mponina manoloana ny asan-dahalo miseho saika isan’andro. Mba ho fampandrian-tany dia nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana avy aty Antananarivo sy ny avy ao Manakara. Nisy noho izany ny fisafoana nataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny fiambenana ny tanàna. Tamin’izany indrindra no nahatratrarana olona iray mpiray tsikombakomba tamin’ireo dahalo tao amin’ny trano fonenany taorian’ny vaovao azon’ireo zandarimaria tamin’ny olona tsara sitra-po ny andron’ny alarobia lasa teo. Vao nahatsikaritra ny fahatongavan’ireto farany ireo dahalo dia tafaporitsaka ny roa tamin’izy ireo fa ilay mpiray tendro tsy tafahetsika. Nisy noho izany ny fisavana ny tranon’ity farany ka sarona tao ny rongony sy ny ody gasy fampiasan’izy ireo rehefa hanao ny asa ratsiny. Tamin’ny filazan’ity farany nandritra ny famotorana azy dia izy no mampiantrano ireo dahalo sy fametrahana ny fitaovana fampiasan’izy ireo. Ary ao aminy ihany koa ny fanomanana ny tetika rehetra alohan’ny hanafika ary efa aman-taonan’izy ireo no niara-niasa. Mandeha ny fikarohana ireo namany.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre