Toliara – Mahazo vahana ny hala-botry
Ao amin’ny fokontany Mahavatse voalohany sy faharoa no tena hanjakan’izany ao Toliara. Ary ireo tanora eo an-toerana ihany no voalaza fa manao io asa ratsy io. Vaky mandositra sy misitrika ireto farany raha vao mahatazana ireo mpitandro filaminana manao fisafoana. Ary matetika dia mitondra basy poleta vita gasy izy ireo ka amin’ny alalan’izany no hanaovan’izy ireo tery vaimanta ny tompon-trano hamoaka ny vola sy ny volamena ary ny entana ao an-trano. Fantatra ihany koa fa tsy mifidy izay angalarina intsony ireo olon-dratsy fa manjifa hatramin’ny vilany, vilia ary ny sotro.
Tamin’ny alarobia alina dia trano roa indray no lasibatr’ireo jiolahy tao amin’ny fokontany Mahavatse faharoa. Andian-jolahy maromaro no niditra an-keriny tao amin’ireo trano ka nandrahona ny tompon-trano hamoaka ny fananany. Vao niditra tao an-trano izy ireto dia nanambana zava-maranitra tamin’ny olona rehetra sao misy manao fihetsika mahery. Lasa nandritra izany ny vilany rehetra tao an-trano sy ny entana maro isan-karazany.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







