Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fanariam-pako !

Fiaramanidina miisa 3 no voalaza fa efa azoan’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar hatramin’ny nitondran’ny filoha Rajaonarimampianina. Ireharehan’ny fitondram-panjakana io resaka fividianana fiaramanidina misesisesy io ary sokajiany ho anisan’ny fahombiazana goavana nentin’izao fitondrana ankehitriny izao. Tsara tokoa aloha ny mahazo zava-baovao nefa mipetraka ihany ny fanontaniana hoe zavatra tsara ve ireo novidiana sa fakofakon-javatra. Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra dia fiaramanidina tsy dia fampiasan’ireo kaompania any ivelany ireto azontsika ireto. Misy ny marika ATR izay tsy dia malaza firy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Misy ihany koa ny Boeing 737 izay azo tsorina mazava fa efa antitra be ary karazan’ny efa fako ihany any ivaleny any. Tamin’ny andron’ny tetezamita dia efa nividy fiaramadinina marika Airbus A 320 ihany koa ny fitondrana, izay ny filoha ankehitriny no minisitry ny Vola tamin’izany.

Iaraha-mahalala ho an’ireo mpandeha fiaramadinina makany ivelany anefa fa efa fako ihany koa izany Airbus A320 izany.

Tsy mahagaga raha tsy mety tafarina ny Air Madagascar satria mba mividy fitaovana ihany nefa tsy manara-penitra no andaniam-bola. Tsy azo odian-tsy hita mantsy fa tsy hita pesipesenina ny vola ividianana sy itrosana an’ireny fiaramanidina ireny. Hatreto aloha dia ireo mpandraharaha sy teknisianina niara-nisalahy tamin’ny fifampivarotana ihany no tena mahazo tombony fa tsy ny firenena mihitsy. Raha sendra mandeha aza ireny fiaramanidina ireny dia natokana ho an’ny vahiny ho avy eto amintsika sy ny mpizahatany no nividianana azy.

Lasa toerana fanarian’ny vahiny fako i Madagasikara ankehitriny. Hatramin’ny fiaramanidina izay heverina fa fitaovam-pitaterana avo lenta indrindra no alefa aty izay drodroka sy tsy dia be mpividy any ivelany any. Ny an’ny olona efa Boeing 787 no maniditsidina eny amin’ny habakabaka, ny an’ny gasy mbola 737 no mahadedaka. Hita taratra ary mampibaribary ny fahantran’ny firenena sy ny tsy fisian’ny vina mijery lavitra sy te hisondrotra ny toy izao.

Iarahan’ny rehetra miaina rahateo fa ny fako rehetra avy any ivelany any sisa no mitobaka mba ho anjaran’ny malagasy. Samy manao fitafiana sy kiraro tonta avokoa ny 99,99%-n’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao. Maro amin’ireo akanjo sy kiraro efa nanaovan’ny vahiny ka alefa amidy eto amintsika aza anefa no mbola tsy takatry ny ankamaroan’ny olona. Izay zava-baovao mba amidy eto kosa indray dia entana hosoka sy voarara tsy azo amidy any amin’ny tany efa mandroso.

Mikipy sy mangina ny mpitondra manoloana izany rehetra izany ary mbola sahy milaza fa be ny ezaka vita ary efa miha miarina ny asa fampandrosoana ny firenena. Toy ny milaza fa mety amin’ny malagasy ny fiainana tsizarizary izay miantehitra betsaka amin’ny entana ratsy kalitao sy mora vidy. Vitavitan’ny sitrany ahay sisa ny fiainana eto ka na fako avy any ivelany any aza dia raisina am-pifaliana sy am-pitiavana satria ireny no takatry ny fahefa-mividy.

Andraikitry ny fitondram-panajakana anefa ny mampiakatra ny fahefa-mividy ny vahoaka ao amin’ny firenena misy azy. Nisy rahateo ny fampanantenana mikasika izany tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra saingy tsy izay no nitranga rehefa azo ny fahefana. Mandany andro amin’ny resaka politika sy ny fifampizazarana toerana hahazoana tombontsoa eo amin’ny samy mpanao politika fotsiny ny mpitondra ankehitriny ka lasa anjorom-bala sy ankilabao ny fiainam-bahoaka.

Mendrika ny hanana zava-baovao sy tsara kalitao ny vahoaka malagasy satria miaina eo ambony harena voajanahary tsy hita pesipesenina. Ny vahiny anefa no mitango izany harena izany satria tsy hain’ny mpitondra ny mitantana azy. Vao afak’omaly izao no nisy sambo tratra nanondrana andramena nefa ny minisiteran’ny Tontolo iainana milaza fa voafehy ny fiarovana ny ala sy ny harena voajanahary ao aminy.

Alain’ny vahiny ambogadiny sy maimaim-poana ny zava-tsarobidy eto amintsika dia andefasany ny fakony tsy ilainy any aminy isika.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre