Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Nozonina mpivaro-tena – Nanjavona ny filahian’ilay tovolahy

Tao amin’ny fokontany iray ao Toamasina no nisehoan’izany omaly maraina. Tsy nino ireo nitantarana raha tsy nahita maso ny zava-misy. Ny alin’ny alarobia no  fantatra fa niaraka tamin’ny mpivaro-tena ny tovolahy iray. Rehefa vita anefa ny filany dia tsy nanaiky ny nanome vola tahaka ny nifanarahana ity tovolahy ity. Nitaky ny volany ilay vehivavy fa nodian’ity tovolahy fanina izany.

Niafara tamin’ny fifamaliana moa izany fa tsy niraharaha mihitsy ilay tovolahy. Tezitra mafy ilay mpampanofa vatana ka namoaka vava be an’ity farany sady naka fitaratra avy ao anatin’ny kitapo-keliny nanozonany azy.

« Notarafin’ilay vehivavy tamin’ilay fitaratra ny fivaviany sady notsitsihiny aho. Tsy norarahiko izany fa heveriko tsy handaitra izany. Akory anefa ny hatairako tamin’ny maraina raha nahita fa tsy teo intsony ny filahiko rehefa handeha hivoaka ahy. Natahotra sady tsy tonga saina izaho tamin’ny voalohany raha tsy efa ela be hoe ilay hozona nataon’ilay mpivaro-tena no nahatonga an’io », hoy ilay tovolahy nitantara ny nanjo azy. Tamin’ny filazany hatrany dia mahatsapa ny tsy mety nataony izy ary manenina tanteraka.

Mitady fatratra an’ilay vehivavy moa izy ankehitriny mba hifona sy hiangavy amerenana ny filahiany. Araka ny fantatra dia nanjavona tanteraka io vehivavy amin’izao fotoana izao.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre