Moramanga – Olona 8 matin’ny pesta, 10 hafa marary mafy
Mirongatra be ny aretina pesta ao Moramanga ary efa olona 8 no maty tao amin’ny tananan’Ampasipotsy. Mbola misy 10 hafa marary mafy ahiana ho faty sy hamindra ihany koa ka ahitana vehivavy tera-bao sy zaza menavava. Raha tsy voafehy faran’izay haingana io tranga io dia mety hiparitaka sy handringana olona aman-jatony ity areti-mifindra ity.
Mampiseho ny tsy fahampian’ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana izao zava-misy izao satria tsy vao sambany no nisian’ny pesta teto Madagasikara hatramin’ny nijoroan’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Izany hoe efa tokony manana paik’ady mazava hisoroahana izany ny mpitondra. Vao tamin’ny taon-dasa no namely mafy tany Andramasina ny pesta ary efa tonga teto an-drenivohitra izany tamin’ity taona ity. Dia io indray fa mandripaka ao Moramanga. Ny mahavariana ny maro dia ny tsy nahatsinjovan’ny minisiteran’ny Fahasalamana mialoha ireny tranga rehetra ireny fa efa misy ny maty vao samy mikoropaka.
Anisan’ny be fihetsiketsehana mantsy io minisitera io ary mametraka fanamby goavana nefa toa vao maika aza mirongatra ny aretina azo avy amin’ny loto. Vao tsy ela akory izao no nahitana aretina lefakozatra tany Mahajanga.Tena fahafaham-baraka tanteraka ho an’ny firenena izany satria tena tao anatin’ny hetsika iadiana amin’ny “polio” mihitsy no nisy zaza voa. I Madagasikara irery hatreto no firenena tokana eto an-tany mbola ahitana ny poliomyélite.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







