Vous êtes ici :

Jeudi 16 Mai 2024

ombre

Tantsaha any Bongolava – Hisitraka fiahiana ara-tsosialy

Tsy mba manana fisotroan-dronono ianteherana ny tantsaha mpamokatra eto Madagasikara. Izay indrindra no nahatonga ny Cnaps sy ny Tranoben’ny tantsaha hanao fanadihadiana ifotony momba ny andavanandron’ny tantsaha mba ahafahana mametraka rafitra miandraikitra ny fiahiana ara-tsosialin’ny tantsaha. Araka izany dia notanterahina ny herinandro lasa teo tao amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy ao amin’ny Faritra Bongolava ny atrik’asa fanofanana ireo teknisiana hanao ny fanadihadiana isan-tokantrano.  Ho an’i Bongolava manokana dia niara-niasa tamin’ny CNaPS sy ny Tranoben’ny tantsaha ny Prosperer.

Faritra anisan’ny tena mamokatra i Bongolava satria laharana fahatelo izy eo amin’ny famokaram-bary eto Madagasikara ary ao Tsiroanomandidy ihany koa no misy ny Tsenan’omby voalohany eto amin’ny Nosy. Noho ireo antony ireo dia tsy nataon’ny Tahirim-pirenena ho ambanin-javatra ity faritra ity fa dia nanatanterahana ny fanadihadiana ahafahana mametraka ny fisotroan-drononon’ny tantsaha. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ ny Faritra Bongolava, Randriamiandrisoa Roger Claude, fa tena ilaina ny fisotroan-dronono satria hoan’ny tantsaha dia  mihena be ny hery enti-mamokatra rehefa miha mitombo ny taona dia mihaosa ka rariny sy hitsiny raha misitraka ny zo fototra tokony ho azy ny tantsaha. Ny tantsaha izay mandrafitra ny 85%n’ny malagasy ary miantoka ny famelomana ny mponina rehetra manerana ny Nosy. Tonga ny fotoana ankehitriny mba andraisan’ny tantsaha mpamokatra dia ny mpamboly,ny mpiompy ary ny mpanjono ny zo fototra sahaza azy ireo dia ny Fisotroan-dronono izany.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre