Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Mpandraharaha voaroba – Lasa ny 7 tapitrisa ariary

Mahazo vahana ny asan-jiolahy any Mananjary amin’ny fisian’ny mpandraharaha vatosoa manenika ny tanàna. Ny harivan’ny alatsinainy teo tamin’ny 7ora dia mpandraharaha iray indray no lasibatry ny jiolahy mitondra zava-maranitra tao an-tampon-tanànan’i Mananjary. Nifanao fotoana tamina vehivavy iray namany ilay lehilahy tamin’ny ora nitrangan’ny fanafihana. Araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao dia efa nandrasan’ireo olon-dratsy ilay lasibatra. Vantany vao tonga teo am-baravaran’ny trano nanaovany fotoana dia norahonan’ireo tsy mataho-tody hamoaka ny vola sy volamena any aminy. Rehefa nandà fa tsy manana izany ilay lehilahy dia tsy nisy alaharo alaharo fa dia notsatohan’izy ireo antsy teo amin’ny kibony. Lasa noho izany ny lelavola mitentina 7 tapitrisa ariary  sy volamena milanja 40 grama tany aminy. Na dia naratra mafy  aza anefa ity farany dia mbola tonga tany amin’ny polisim-pirenena nampandre ny voina nihatra taminy izay vao nentina tany amin’ny hopitaly.

Raha ny filazan’ilay lasibatra dia ilay vehivavy namany no ahiany ati-doha nikotrika izao asa ratsy izao satria izy ihany no nahafantatra ny fisian’ny vola be tany aminy. Nosamborina avy hatrany ity farany ary rehefa nohadihadiana dia niaiky fa izy tokoa no mpiray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy. Naiditra am-ponja avy hatrany ilay vehivavy mandra-pahatonga ny fitsarana azy. Efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre