Haza an-dranomasina – Nihena ny fahefa-mividin’ny mpanjifa
« Maivamaivana ny tsena na dia tsy nihetsika firy aza ny vidin’entana », hoy i Ramatoa Razakanavalona Bakoly, administratera jeneraly ny orinasa Manda S.A nandritra ny fitafatana taminy tao amin’ny foara ho an’ny fidiran’ny mpianatra tetsy amin’ny Esca Antanimena omaly alakamisy. Nahitana fihenana ny fahefa-mividin’ny mpanjifa haza an-dranomasina efa taona vitsy izay. « Na izany na tsy izany dia miezaka hatrany ny orinasa manome vokatra kalitao laharana voalohany sy azo antoka ny hatsarany fa ny vidiny ihany no mametra ny fanjifan’ny mpanjifa. Ary tsy lany mihitsy ny vokatra fa ny vidiny no mametra azy », hoy ny adminisitratera jeneraly ny orinasa Manda S.A.
Efa fanaon’ity orinasa ity ny manao hetsika anaty foara mba hanomezana lanja ny vokatra sy mba ho fanakaikaizana ireo mpanjifa ny haza an-dranomasina. Mandritra ny foara ho an’ny fidiran’ny mpianatra dia hisy ny fihenam-bidy ataon’ny orinasa mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Ny orinasa Manda S.A izay manana fankatoavana eoropeanina hahafahany manondrana vokatra manerana izao tontolo izao. Mahatratra 20 taonina isam-bolana ny vokatra ahondrana ary ny 90 isan-jaton’ny vokatra izany raha toa ka ny 10 isan-jato no ahodina eto amin’ ny tsena anatiny mba hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa eto an-toerana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







