Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Fanafihana mpandraharaha lavanila – Najifa ny 80 tapitrisa ariary

Tokantrano iray tao Andralavabe, kaominina Tanambao ao anatin’ny distrikan’i Vohémar no notafihan’ny jiolahy. Ny alin’ny alarobia lasa teo no nitrangan’izany fanafihana izany manodidina ny misasak’alina tany ho any. Nopoirin’ny andian-jiolahy tsy fantatra isa ny varavaran’ny mpandraharaha lavanila tany an-toerana. Maty paika tanteraka ny fanafihana. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia toa efa hain’ireo jiolahy fa avy nivarotra lavanila ilay tompon-trano ka misy vola be ao an-trano. Tsy nisy naheno ihany koa ny fidiran’izy ireo raha tsy efa tafiditra ka nanambana basy ny iray trano izy ireo. Noho ny hery tsy mitovy sy ny fitaovam-piadiana mahery vaika nampiasain’ireto olon-dratsy dia tsy afaka nanohitra ireo voatafika fa avy hatrany dia namoaka vola. Vokany, najifa ny vola vidin’ny lavanila mitentina 80 tapitrisa ariary niaraka tamin’ny ambina lavanila mbola tsy lafo.

Tao anatin’ny poa-basy variraraka tanteraka no nandosiran-dry zalahy ny tanàna. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra tao anatin’izay. Minitra vitsy taorian’izay vao nahazo antso ny zandary. Efa nangina anefa ny tanàna tamin’ny fahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana ary efa misy olona ahiahiana ho isan’ny tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Mitohy ny famotorana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre