Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Foara ho an’ny fidiran’ny mpianatra – Fanamorana ny fividianan’ny ray aman-dreny fitaovana

Nanomboka omaly alakamisy faha 27 aogositra ny foara  ho an’ny fidiran’ny mpianatra izay karakarain’ny orinasa Sky’s ary tsy hifarana raha tsy rahampitso asabotsy etsy amin’ny Esca Antanimena. Natao io hetsika io amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao mba ho fotoana iray hitaomana ny ray aman-dreny  hividy ny kojakojan’ny zanany. Tsy mpianatra irery ihany no kendrena amin’io hetsika io fa indrindra ihany ireo renim-pianakaviana. « Ny tanjona dia ny hampivondronana ireo mpivarotra rehetra eny Behoririka sy Tsaralalàna amin’ny toerana iray mba hanamorana ny fividianan’ny ray aman-dreny ny fitaovan’ny mpianatra satria efa sarotra dia sarotra ny mandeha mividy fitaovana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana », araka ny fanambaran- dramatoakely Angelette Rafenoarinoro izay tompon’andraikitra ara-barotra ao amin’ny orinasa Sky’s.  Amin’ny maha foara azy dia misy hatrany ny fihenam-bidy isaky ny trano heva miisa 80 mandranty izany tsena lehibe izany. Ankoatra ireo trano heva ahitana ny fitaovana entina mianatra an- tsekoly mifandraika amin’izany dia misy ihany koa ireo trano heva mandranty ny zava-bita ara-malagasy sy ny akanjo sy kiraro. Ahitana ireo banky izay manome tolotra sy toro-hevitra ho an’ny mpanjifa mifandraika amin’izao fidiran’ny mpianatra izao ihany koa.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre