Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Ozinina Ambatovy – Nahitana baomba kely vita tanana

Nahitana karazana baomba kely vita tanana tao amin’ny “parking” akaikin’ireo birao fiasana ao amin’ny Ozininan’Ambatovy Toamasina, ny alin’ny sabotsy 22 aogositra 2015. Araka ny fanambaran’Ambatovy natao ny alakamisy 27 aogositra lasa teo, dia tsy nipoaka izy io, ary efa voahaisotra soamantsara tamin’ny toerana misy ny “parking”nahitana izany tao amin’ny ozinina. Manoloana izany tranga izany, dia manamafy kosa Ambatovy, fa tsy naharay fandrahonana, na fitakiana mifandraika tamin’ny fahitana io baomba vita tanana io akory hatramin’izao. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana, ny zandarimariam-pirenena izany, izay efa manana fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny orinasa Ambatovy, ka nandray an-tanana ny fanadihadiana  lalina ny antony nisian’ity baomba vita tanana ity. Koa hita eo ihany ny tohiny. Fanontaniana mipetraka ao an-tsain’ny maro ny hoe : misy ifandraisany amin’ny fampiantona ireo mpiasan’Ambatovy ve izao ny nahitana baomba vita tanana tao anatin’ny toerana misy ny Ozinina ao Toamasina izao?

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre