Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Fandrobana – Naboridan’ireo jiolahy ilay tovolahy

Tovolahy iray mivarotra eny Ambodin’Isotry no nisy naka an-keriny teny an-toerana ny zoma atoandro lasa teo. Nandeha tongotra teny an-dalana ity farany no fantatra fa narahin’ny andian-jiolahy tao anaty fiara. Miisa enin-dahy izy ireo, ny sasany tamin’ireo jiolahy nivoaka ny fiara ary avy hatrany dia nibata sy nanery azy hiditra tao anaty fiara. Noho ny tahotra  loatra anefa dia tsy sahy niantso vonjy ilay lasibatra. Ny teo amin’ny manodidina ihany koa nilaza fa tsy nahatsikaritra na inona na inona. Tsy nisy ihany koa ny fitakiana vola tamin’ny fianakavian’ilay tovolahy.

Efa hariva anefa ny andro izay ny havany vao taitra tamin’ny tsy fahatongavana tao an-trano. Nampandre ny mpitandro filaminana ireto farany ary nandeha ny fikarohana azy fa niala maina ny rehetra. Ny alin’io ihany dia hitan’ny olona teny amin’ny faritra Anosizato ilay tovolahy ary efa niboridana tanteraka. Ny ankajony, ny kirarony, ny vola niaraka tamin’ny finday dia lasan’ireo jiolahy avokoa. Araka ny filazany dia natsipin’ireo olon-dratsy teny amoron-dalana izy rehefa azon’izy ireo izay nilainy fa tsy novonoiny. Voamarina izany tamin’ ny vatana izay tsy nahitana ratra mihitsy.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre