Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Fitsaram-bahoaka – Mpangalatra solika saika matin’ny fokonolona

Kely foana no tsy nanaraka ny ain’ilay jiolahy tany Ambilobe. Ity farany izay tratran’ny fokonolona ambodiomby nangalatra solika teny amin’ny tobin’ny Jovenna any an-toerana. Ny alin’ny sabotsy teo no nitrangan’izany. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia avy amin’ny kamiao mpitatitra solika iray nijanona teo amin’ny toby fivarotan-tsolika no nangalaran’ity mpangalatra ity. Nanararaotra ny fijanonana ela teo ity tovolahy ity hanaovany ny asa ratsiny ary efa tetika maty paika izany satria ankeviny efa nandrasany mihitsy ny fahatongavan’ilay fiara. « Mahazo vahana ny bizina solika any an-toerana amin’izao fotoana izao ka mety izay no nahatonga ity jiolahy ity hangalatra solika tahaka izao », hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. « Voapepo marotoa ny tanany sy tongony ary ny lohany », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Tonga ara-potoana teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanala ilay lehilahy tamin’ireo fokonolona ary nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly ao an-toerana noho ny ratra mafy nahazo azy.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre